jeu.

29

avril

2010

Fomba fanalehibeazana filahiana

Maro amin'ireo lehilahyno manam-paniriana hanalehibeny filahiana. Nisy mpamakyny tranon-kala www.basyvava.com nanoratra tatyaminay, nangataka torohevitramahakasika izany. Koa hofanomezana fahafaham-poho azy sy ho antsika mpamakytsy tapaka ny gazety syny pejy dia ireto misy torohevitravitsivitsy momba nyfanalehibeazana filahiana.....

Toy ireny hanao fanatanjahantenarehetra ireny diatokony hafanaina ihany koany filahiana. Ny tanjona diany hanatobahana ra betsakaao amin’ny filahiana. Anioaloha dia izay fomba famananaizay no horesahantsika.Ho hitanao amin’ny gazetyhivoaka amin’ny manaraka nytohiny, izay tena miompanaamin’ny tena teknika fanalehibeazanaazy. Mila lambafamaohana sy rano matimatyary ianao raha hanao azy ity.Lemo anaty rano mafana nylamba malefaka famaohana.Ahodidino amin’ny filahianaizany avy eo, saronana avokoahatramin’ny voany. Mety hisyfanaintainana kely ny fanaovanaizany any am-boalohany,saingy rehefa zatra ianao diatsy ho renao intsony izany.Tazony amin’izao tokony hoiray minitra eo izany. Rehefadila ny iray minitra dia lemorano mafana indray mandehaindray aloha ny lamba.Avereno apetraka eo amin’nyfilahiana ka somary hitarinairay na roa minitra ny fitazonanaazy eo.Fomba famanana fotsinyihany izay. Tsara raha tsy ovaovainailay lamba fampiasanao,noho ny antony ara-pahasalamana.Mila manokana fotoanaraikitra ihany koa ianaohanaovana ny fanazaran-tena.Saingy izao, amin’ny manarakaindray no hanohizantsikamisimisy kokoa mikasika izay.Koa araho ny gazety BasyVava, hivoaka ny talata 04mey. (Mbola hitohy)

écrire commentaire

Commentaires: 23

  • #1

    Eric (samedi, 01 mai 2010 20:39)

    Salama daholo,

    Hita fa tena vao mianatra demokrasia isika malagasy. Tsy mampino ny mahita fa gazety lehibe toy itony izay azo lazaina fa loharanom-baovao @ fiainan'ny firenena ary manana ny credibilite-ny no koa manao resaka "filahiana..." toy izao e premiere page.

    Azo atao ny miresaka filahiana sy firaisana ara nofo fa tokony ho "gazety" manokana no manao izany na koa atao section iray manokana @ ilay gazety ilay izy. Ny an'ny BASYVAVA anefa dia en premiere page no misy io titre be io. Tsy fahita tokoa izany any @ ireo tany izay lazaina fa efa mandroso ary ny antony mahatonga io angamba dia somary mihidy ny kolontsain-tsika taloha ka rehefa rehefa somary mivaha izy izao dia lasa gaboraraka. "Frustre" hoy ny vahiny izay...

    Toy izany koa ireo "sexy dance" miaraka @ lavage na auto....izay mampihomehy. Toy ny gadra vao nahazo fahafahana ka resaka gadra foana no atao na dia efa aty ivelan'ny fonja aza.

  • #2

    Anonyme (mercredi, 05 mai 2010 07:45)

    Eric a!io toe tsaina anananao io no ts mamapandroso ny malagasy hatram zao!

  • #3

    raoly (mercredi, 05 mai 2010 11:09)

    Zah koa mahita fa ridicule be lay izy! Tsy hoe manohana an'i eric aho fa hitako hoe tsy educatif ny zavatra tahaka izao. Ny aty an-dafy izay azo lazaina fa malalaka be amin'ny resaka culture aza tsy mba manao izany. Heverinareo moa fa fandrosoana ny zavatra toy izany? Amiko ilaina tokoa ny fanabeazana sy fampianarana toy izao nefa tokony mba gazety voatokana ho amin'izany. Raha tsy diso aho efa misy gazety iray mpanao an'izao ao Antananarivo, maninona raha mba avela ho azy ny manao izany? Isika koa moa matetika matin'ny te hahazo mpamaky betsaka dia mampiditra izao karazana article rehetra izao. Izaho anefa matahotra fa maro amin'ny ray aman-dreny no tsy hividy an'ity gazety ity intsony satria heveriny fa mamoafady ho an'ny zanany izay mamaky izany izy.
    Fanehoan-kevitra ihany ny ahy.

  • #4

    Eric (samedi, 08 mai 2010 09:55)

    Ho an'i Anonyme:
    Azoko ny tianao ho lazaina ary manaiky aho fa nihidy loatra sy sarokenatra isika malagasy taloha ka mila miova indrindra @ resaka toy itony izay atao saro-pady foana. Saingy tsy mety io titre be en premiere page io raha ny fijeriko azo. Raha mividy gazety izany ny fianakaviana iray dia samy hahita io daholo na ny ray, reny, zanaka vavy sy lahy ao anatin'ny trano. Sur aho fa na ny olona any @ tany mandroso izay lazaina fa manana kolontsaina malalaka aza somary sadaikatra raha hividy gazety toy izany. Tokony mba hatao section manokana ao anaty gazety ao ilay izy ho an'izay liana te hamaky.

    Ny any asia koa nanao toy io tato ho ato. Nisokatra ny kolontsaina dia lasa bagoraraka. Hany ka lasa malaza fanaovan'ny olona tourisme sexuel fotsiny izao, toy ny bankok any Thailande ohatra. Dia fandrosoana any Madagasikara tokoa ve ny mahita zazavavy zara raha 18ans manome massage @ orinasa iray izay sangisangin'ny clients foana sao dia mba mety hanome zavatra hafa....

    Farany, aza manaiky fitahin'ny vahiny @ ireny zavatra hitan-tsika @ tele sy magazine ireny isika. Marina fa misy olona tokoa miaina toy ireny, saingy ny ankamaroan'ny vahiny dia olona tia miasa mafy, mianatra ary manana valeur morale. Izay no mbola mampandroso an'izireo satria na dia misy aza ireo manala azy fotsiny, be koa ireo tanora tena tia mianatra, tia manasoa olona (ohatra manao volontaire), tia miasa mafy ary manana tanjona @ fiainany. Ny antsika anefa indrisy fa ny mpanao politika matin'ny vola, ny tanora mitady revy etsy sy eroa ary be ny mpanala azy fotsiny. Mihavitsy ireo tanora miandrandra fandrosoana @ fianarana sy fahombiazana, nefa ao anatin'ny fahamendrehana fa tsy olona materialista etsy sy aroa.

    Miala tsiny fa toa lasa be moraly, nefa zavatra hitan'ny maso ka tsy hay tsy zaraina.

  • #5

    ditra (vendredi, 14 mai 2010 10:21)

    ho an'i Anonyme!
    miharaba an'se! miala tsiny f MBA MISY KOZ KEL WAN SE !ny tenin'i Eric sy raoly d itako oe misy zavatra marina ary ts azo iadin-kevitra nefa ts ampy kely raha olona tena malagasy sy mba mahay manavaka ny kolotsain ny tena sy ny an'ny vahiny! zah de mahatsapa tanteraka f ny 60% farafaha keliny ny Malagasy dia ts ampy fanabehazana ara-moraly ! zary ts fahita firy itsony zany any ampianarana! Hany ka lasa ny haino aman-jery no mitaiza ny tanora! série, hira(clip),magazine,... izany no mampianatra! Ny ray aman-dreny koa matetika ts d manana fotoana loatra iresahaana @ zanaka! ny mamapalahelo dia izao : lay film na série io d b no ts mahafantatra oe fiction iz io! zavatra ts misy! d av eo de lasa misy satry misy mianatra ! Ny tiako atongavana dia izao! tsy ny fanaovana ny zavatra ataony firenena efa mandroso akory no atao hoe FANDROSOANA na hoe mety ampandroso fa ny fahaizana mandanjalanaj sy manao sivana izay mety @ fomba ny olona sy ny fomba misy ao @ firenenao! Jereo anie mitobak etsy sy ero ny karazan téléfone, ordinatera,... nefa firy isan-jaton'ny malagasy no mahavoavidy crédit ! misy aza ny sasany ts manambola ividianana sakafo fa mpangataka nef manana tétléfone!!! KA AZA DIA FALIFALY SY MISEO MANDROSO NEFA VOAMAIKA TARAIKY MIAZAKAZAKA LOTRA NEFA TSY... ANJARAN'NY TSIRAIRAY KOA NO TOKONY HAMETRAKA SY HAMETRA NY OLONA TOKONY HANDRAY NY FANDROSOANA TIANY HO ZARAIANA @ HAFA! NY GAZATY BASY VAVA ZAO D AFAKA MIVIDY AZY DAOLO NA NY FARAN ZAY KELY AZA REFA OE MAHAY MAMAKY TENY E! D MB AHOANA HOY NAREO RA TONGA ANY ATRANONY IZY DY HO ATAONY IO ZAVATRA IO! AN IZ N FAHADISOANA? TOKONY HISY NY FENITRA ARAHINA TOMPOKO O!!! ZAY NO ATAO HO FANDROSOANA AMIKO!!!

  • #6

    raozy vola (lundi, 24 mai 2010 18:33)

    Ho anareo mpi-kritika rehetra eto.
    Ianareo ireo no tena tery saina tsy hivoatra mandrakizay mihintsy. Satrinareo ho atao tabou ny resaka rehetra. Fa angaha heverinareo fa dia poakaty ny sain'ny Malgasy ka tsy azo anaovana resaka fa sao dia ho ampihariny @ fiainany ny resaka ren'ny sofiny? @ fomba ahoana no hitomboan'ny connaissance générale n'ny olona raha tsy aroso aminy avokoa ny resaka actualités rehetra?
    Raha te hi-critique ianareo tery saina rehetra ireo dia ny famadihana sy ny fanaovana joro, ny fanompoan-tsampy, ny fampirafesana sns..critiquer-na fa ireny no tena hita fa tsy mahasoa ny fiaraha-monina malagasy.
    Ny resaka toy itony dia tsy tokony hatokana na afenina @ gazety manokana voalazanareo. Ny sex dia zavatra naturel ihainan'ny olombelona ary tsara ampianarina ny tanora ny fisiany sy ny endriny isan-karazany. Ataoko fa tsy tokony hahamenatra ny fampianarana ny ankizy ny soa sy ny loza ateraky ny sex. Arakaraky ny anaovana tabou ny sex no vao maika mampidi-doza vokatr'izany.
    Mamy ary anisan'ny zavatra vaventy @ fiainan'ny olombelona ny sex. Tsy natao hiterahana fotsiny izy io. Samy manana ny fomba fakany fafiny ny olombelona ka rehefa fafiny tsy hiharan'ny lalàna dia tsy anjaranao no mitsikera izany. Tsy voatery any am-pandriana foana ihany.

  • #7

    Eric (mardi, 25 mai 2010 02:16)

    Raozy Vola,

    Tsy namaky tsara ireo voalaza teo ambony ianao.

    Voalohany, izahay akory tsy milaza hoe afeno dia ataovy tabou ny sex. Miteny fotsiny izahay hoe "Misy ny toerana tokony hisy azy ny zavatra rehetra...". Azo atao any ampianarana aza io fampianarana io raha ilaina.

    Faharoa, tsy ny olona afaka mamaky sy mividy gazety rehetra no vory saina tokony hahazo soa @ izany fampianarana izany. Misy ambaratonga ilay izy. Ny olana iray @ ity gazety ity dia tsy manavaka izy. Dia tsy ho sahirana ihany ve ianao raha manana zanaka vavy na laky kely latsaky ny 14 ans izay mamaky sy mianatra ny momba ny resaka "G point" (fomba fanomezana na fakan'ny vehivavy orgasme) na koa "fanabeazana filahiana" ao @ gazety basyvava? Tsy tokony ny olona ampy taona ve no hianatra sy hankafy an'izany??? Tsy tokony lafiny hafa momba ny fitiavana ny firaisana ve no vakian'izireo?

    Hevitra hatsipy ihany....

  • #8

    raozy vola (jeudi, 27 mai 2010 13:38)

    Eric
    Azoko tsara ny tianao tenenina sy ny fomba fisainanao. Tsikaritro avy hatrany fa mi sous-estimer ny intelligence n'ny ankizy ianao sy ny curiosité -any @ atao hoe sex. Raha misy ankizy adolléscent liana ny hamaky document momba ny sex dia ho hotany izany na aiza na aiza ho asianao azy. Sous-estimer-nao hoy aho ny intelligence ny ankizy satria hoy ve ianao tsy afaka hisivana nyzavatra tiany sy ny hahasoa azy ve ny ankizy.
    Efa mivoatra ny taon-jato hiainan-tsika. MAlalaka ny fomba fahazahoan'ny ankizy informations (média, internett,radio, TV, boky sns... ),noho izany dia tsy vahaolana intsony ny manao tabou ny karazana resaka izay nafenina antsika fony fahazazan-tsika.
    Raha Ray aman-dReny tena vonona handray andraikitra @ fomba fanabeazana ny zanaka mba ho lasa zaza vanona dia tsara ny manomboka sahady mampianatra ny zanany ny momba ny sex @ io taona voalazanao io. Raha zaza ampy éducation @ izany dia inoako fa tsy zaza hanao abus ary hahay hiaro ny tenany @ loza ateraky ny sex.

  • #9

    Eric (vendredi, 28 mai 2010 07:00)

    Raozy Vola,

    Misy marina ireo voalazanao ary misy mahaliana. Ireto angamba ny hevitro farany manampy ireo efa voalaza teo aloha:

    Ianao dia nilaza fa:
    1) “….Sous-estimer-nao hoy aho ny intelligence ny ankizy satria hoy ve ianao tsy afaka hisivana nyzavatra tiany sy ny hahasoa azy ve ny ankizy”.

    Hoy aho hoe:
    "Matoa mampigadra ny maha bevohoka ankizy latsaky ny 18 taona (detournement de mineur) dia noho ny fahatsapana fa ny olona tsy mahafeno io taona io dia tsy vory saina tanteraka hahalala ny zavatra mety tsy mahasoa azy raha ny resaka sexe. Matoa koa ny olona latsaky ny 18 taona tsy saziana mitovy @ olon-dehibe (>18 taona) na dia mitovy aza ny heloka vita (e.g. fangalarana, na fandratrana olona) dia noho ny fahatsapana ny mbola tsy tena maha tompon’ny tenany ireo ankizy ambanin’io taona io."

    2) “…Raha misy ankizy adolléscent liana ny hamaky document momba ny sex dia ho hotany izany na aiza na aiza ho asianao azy”

    Hoy aho hoe:
    "Marina io voalazanao io. Ny olana @ ity gazety ity dia roa: (a) Tsy ireo olona mitady information irery no mahita azy fa na dia ireo tsy nitady aza dia mahita tsy satry satria dia harangaranga mihintsy ilay izy en premiere page “hatao hanitonana ny mpamaky”. Ny olona dia izao: fantatra fa ny ankizy dia manana filana ara-nofo mitsiry tsikelikely (resaka hormones io) ary na dia tsy nieritreritra an’izany fankahafihizana firaisana izany aza izireo dia mety mampitsiry ny curiosite ny fahitana ireo titre be ireo. Tentations izany ilay izy. (b) Ny boky, internet,….momba ny fianarana mankafy firaisana (e.g. G point, fanabeazana filahiana,..) voalazanao dia natao ho an’ny olon-dehibe no namokarana azy saingy tsy voahaja ilay lalana koa lasa eny ampelantanan’ny ankizy ilay izy. Ity gazety ity anefa dia mi-traiter ireo sujets ho an’ny olon-dehibe ampy taona ary mi-exposer ny mpamaky rehetra momba ireo sujets ireo na dia ny tsy ampy taona aza satria ny olona rehetra dia afaka mividy azy. Amiko manokana ny gazety dia tokony hampianatra ary hanara-dalana"

    3) “….Efa mivoatra ny taon-jato hiainan-tsika. Malalaka ny fomba fahazahoan'ny ankizy informations (média, internett,radio, TV, boky sns... ),noho izany dia tsy vahaolana intsony ny manao tabou ny karazana resaka izay nafenina antsika fony fahazazan-tsika”.

    Hoy aho hoe:
    "Tsy ny fampianarana sexe @ ity gazety ity amiko ny olana fa ny sujets traiter-na sy ny toerana hanaovana izany. Noho ny maha ho an’ny rehetra ny gazety (i.e. tsy misy taona voafetra) dia tsy tokony hihoatra izay sujets mifanaraka @ izany (i.e. taonan’ny mpamaky) ny mpanao gazety. Aleo izay te hahita lalindalina kokoa hitady boky, internet, magazines,…satria malalaka ireo amin’ny toerana hafa araka ny voalazanao"

    4) “….Raha Ray aman-dReny tena vonona handray andraikitra @ fomba fanabeazana ny zanaka mba ho lasa zaza vanona dia tsara ny manomboka sahady mampianatra ny zanany ny momba ny sex @ io taona voalazanao io. Raha zaza ampy éducation @ izany dia inoako fa tsy zaza hanao abus ary hahay hiaro ny tenany @ loza ateraky ny sex”

    Hoy aho hoe:
    "Mbola marina koa ilay voalazanao ity. Ny olana anefa dia tsy mbola maro ireo ray aman-dreny manao izany noho ny fomba fisainana sy fahasahiranany @ fiainany. Noho izany tokony ho tandremana ny sujets traiter-na ao @ gazety mba tsy hihoatra izay mahasoa ny mpamaky rehetra (tafiditra ao ny tsy ampy taona)"

    Farany, tsy hoe “fomba fisainako” ilay izy fa resaka lojika fotsiny ihany. Resaka ihany anefa izany rehetra izany fa mila manao fanadiadiana sy mijery statistika mihintsy angamba isika hahafantarana ny tena zava misy marina.

    Ireo angamba ny hevitro farany.

  • #10

    ditra (vendredi, 11 juin 2010 17:38)

    MIHARAHABA TOMPOKO O! hoan'i RAOZY VOLA !!
    1- hono wa! tsisy HOE tsy tokony ho resahana ny ankizy ny resak sexe sy ny mikasika azy! zavatra misy amin'ny vatan'ny olombelona rehetra io ary ny olombelona rehetra dia tokony ahafantatra io avokoa! na ny fandahara-pianarana aza misy io!! fa na izany aza tsy oe vao mahay mamaky teny ny akizy iray dia io no ampianarina azy!! ny tiako tenenina dia oe misy ambaratongany ny fampahafatarana sy fampianarana azy! ary mila sivana arakarakinny taona ! tadido fa ny vazah zay tinao enarana io ny fomba fisainany anie ry sé ka any anaty gazety manokana no asiany resaka otrzao e! ary toerana manokana koa no ivarotany azy ka izay tokony amaky azy ihany no afaka manjifa azy e! eto amintsika te hanao resaka sexe nefa ny fenitra mifanaraka aminizzany azy ts voahaja akory!!! na film na magazine na kilalao dia misy oe natokana wan'zao taona ihany ... ! misy ny sivana!!! ary tena betsaka!! fa ny cas antsika eto zao tonga dia tsisy sivana na dia kely monja aza fa dia afaka mampihatra ny fomba fanalebeazana ny biby kely daholo izay mahay mamaky teny rehetra! sa mety aminao ve raha mananjanaka 10 taona enao na 12 taona dia tratranao izy mapiatra reo zavatra voalaza ao ireo ! dia mba aoana hoy ianao? sa oe mbola tsy taonanao ny manao izany f refa lebebe !!! zay no ilana an'ilay sivana sy fitandremana f ts oe fahateren-tsaina na MI-sous-estimer-ny zaza akoy na zavatra hafa! tsy zara ary ve moa ahay ny zava-drehetra daholo ny olombelona rehetra !!! FA RAHA OE NY FOMBA FANASANA SY FANADIOVANA NY TAOVA PANANAHANA NO GRAND TITRE AM GAZETY HITA ENY REHETRA ENY ! INOAKO FA TSY MISY MAHA RATSY ANZANY MIHINTSY SATRY SAMY MILA MAHAY ANZANY AVOKOA NA NY LATSAKY NY 16 TAONA NA NY MIHAOTRA NA NY MOPERA NA NY MASERA NA NY....NY REHETRA E!



    MISAOTRA TOPMPOKO O!

  • #11

    rasr (mercredi, 30 juin 2010 10:16)

    1- Io tsy fampianarana ny zanaka, ny manodidina, ny mpiray firenena antsika io ihany no mbola mahavoa antsika.
    2-izay mahay,tsy mba mampianatra,ny tsy mahay tsy
    teha hianatra.ary raha mba ampianarina zavatra sy ampisehoana zavatra toy itony dia hoe:mamoafady.
    atoroy dia ny mbol

  • #12

    rasr (mercredi, 30 juin 2010 10:37)

    "Ialana tsiny fa tapaka tampoka ny jiro"
    atoroy dia ny mbola kely ny zaza,ary ampahafantaro
    azy hoe izao anaka no marina ,izao no tsy azo atao
    satria izao no vokany,toy izany koa ny mpiaramonina
    ary ny farany ny firenena.
    iza amintsika no tsy mahafantra hoe :
    - misy ny firaisana ara-nofo?
    - ary aiza no tokony anaovana izany?
    - olona firy taona no afaka manao izany?
    io tery saina io foana no mahavoa antsika.
    indrindra ianao ry eric.
    dia faly ve ianao raha toa ka ankizy vao 10-16 ans
    dia efa miditra amin'izany,ny antony anie dia
    tsotra be e:na izy ireo tia andrakandrana fotsiny
    na koa tsy mba nampianarina sy nampahafantarin'ireo
    ray amandreny satria hoe maha-menatra sy mamoa-fady
    izany dia jereo ny vokadratsiny,ny tena zavadoza
    anie dia ity:rehefa mba tonga saina ianao hoe
    hoampahafantariko ny lalana tokony hizorany
    ity olona ity,na ity zaza ity dia tsarovy fa ho
    diso evitra ianao satria efa tara loatra izany
    fa himehezany fotsiny eo ianao
    farany:isika na tianao na tsy tianao dia tsimaintsy
    miaina amin'izao rivotra izao,
    ireo mpanao gazety ireo ary ve hoy ianao dia adala
    andany fotoana amin'ny tsy misy dikany,
    fa fampianarana no ataony ka mianatra ianao dia soa
    ho anao,tsy mianatra moa ianao dia adisoanao

  • #13

    reza (mercredi, 21 juillet 2010 21:59)

    tsara zan!aleo isik no mampianatra n ts mahay fa ts n internet na magazine hafa.tsara raha ny gasy no mampianatra ny gasy fa ts ny vahiny.aleo mb hijery lavtr fa ts n amban maso ian.tohizo fa tsara ry basyvava!aza ambaniana ny fandraisan'andraikitry ny tonga saina.fa ze te anafina dia afeno any @ gazety manokana any

  • #14

    Mbelo (vendredi, 30 juillet 2010 18:59)

    ..Miarahaba ny Malagasy avo saina sy tia fivoarana rehetra ohh!
    Fa hono hoa ry zareo fa nga mbola resaka filahina sy fivaviana hatramin'izao no iadian-kevitra ety amin'ny tànana eh? Mba manaraha ihany vaovao ry zareo dia mba mamakia koa gazety hafa ankoatry ny eto Madagasikara fa tena mahamenatra isiaka ah!Raha zavatra mikasika ny fampivoaran-tsaina sy fampadrosoana izao ady hevitra zao efa lasa lavitra isiaka.Soa ry Ra-Eric sy ny tariny aza ka kelikely filahina fa be saina

  • #15

    rajasy (jeudi, 09 septembre 2010 22:21)

    Somary tery sy voatery ary tsy manana ny ampy hanaovana gazety manokana momban'ny sex ny mpanaogazety ..sadytsy azo inoana koa fa resaka sexe no hisy hividy na hanao abonnement aty Dago.
    Noho izany dia aleo mba hanao izay ho afany syizay hitany fa mety ny mpanao gazety. Ny hoe atao 1er page na tsia diaaleoko mahita an'inytoy izay resaka hoe : "Notrobarany nyantsy nyvadinydia naolany nyzanany 15 ans " vokatri'ny FRUSTRATIONsyny INHIBITION sy ny fianara-kendry ny gasy !

  • #16

    hajaexport (jeudi, 16 décembre 2010 17:51)

    salama daholo!
    nandalo tato ny tena dia tsy mety raha tsy mametraka e!
    za dia manohana tateraka ity site iray ity ary ireo manakiana toan'i eric sy ny sns dia rehefa tsy tinareo ilay izy dia aza miditra fa maro ny mankafy na ny resaka vaovao io na sex.ny momba ny sex tsy hitako zay olana aminareo any io mba sokafy ny toetsaina ary aza miatsaravelatsihy fa matoa ianao tafiditra ato dia misy zavatra ankafizinao ao ary ilainay tanora ny education hoatran'izao satsia ny ray aman'dreninay mitovy toetraina aminao manafina nefa zavatra misy eo amin'ny fiainana .tena ilainay io fa aza kianina e!mahereza ry mpikirakira fa zay tena mankafy an'io.vedrana be ilay manakiana io eric io angamba ilay tonga dia lasa sady kely filaina.

  • #17

    hajaexport (jeudi, 16 décembre 2010 17:56)

    ahoana kay ny fomba atao rehefa mifanoroka azafady?

  • #18

    Liva (dimanche, 23 janvier 2011 09:13)

    Slt? Aty ampitan'ny ranomasina aho no mahita ny vao2 momba ny fanalehibeazana filahiana. Nefa maro ny manakiana fa aza atao sakana ry zareo fa toroy lalana ny namana mba tsy hampivarilavo azy sy ahatonga azy hanaotao foana. Mankafy io fandaharana io aho koa mba alefaso tohizo hatrany.

  • #19

    lirah (samedi, 26 février 2011 11:01)

    salut daol an!!
    otran lasa resaka hifamalian le resak fa tsy ny tokony resahana no resahanareo reetra le sujet de fanabeazana filahiana fa tsy fanabehazana ny saina momba ny sex de zay resahana fa any am site hafa any nareo mifanoratra sy mifampitsikera , de rehefa tsy mahaliana anao le iz de az miditra sy mijery akory e!!!

  • #20

    karim (mardi, 08 mars 2011 13:34)

    Tena tsy azo afenina intsony raha @ zao vanim-potoana iainantsika izao ny resaka sex.Tokony ampahafantarina ny tanora eny fa na de ny ankizy aza ny fiainana tsy maintsy ho diaviny any aoriana,ataoko angamba fa tsy misy maharatsy an_zany. Sady @zao fotoana izao anie na de afeninao azy aza ireo de fantany sy hainy foana,de tsy itako intsony ny antony anafenana an-zany.Mba ovay am_zay io toe-tsaina io fa efa taonjato faha 21 isika am-zao. MISAOTRA BETSAKA AN' BASYVAVA, TOHIZO FA MAHAFINARITRA!!!

  • #21

    ta? (vendredi, 07 octobre 2011 17:47)

    o ry be wawawa isan a okzay

  • #22

    Famaranana (mercredi, 11 janvier 2012 15:26)

    MIARAHABA ANTSIKA REHETRA MPAMAKY ALOHA SAMY TRATRIN' NY TAONA 2012.
    MOMBA LE RESAKA SEX ITY IHANY NO MBA ASIAKO RESAKA KELY.NY TENA OLANA AMINAZY IO TSY HOE ZAVATRA TENA MAMOAFADY ILAYNIZY,FA TENA MBA MAHAMENATRA MIHITSY NY MIVIDY ILAY GAZETY IO RAHA ENY AMIN'NY LALANA ENY.SATRIA ATAON'OLONA NDEHA AMPIATRA INY ZAVATRA VOLAZA ANATINY GAZETY INY FOANA IANAO. MAHAMETRA KOA RAHA OLONA MAHAMETRA ANAO ,MAHITA INY SORATRA BE INY ANATINY KITAPONAO.YZAY NY TENE VOKADRATSINY FA TSY ILAY DRADRADRAINA ERY AMBONY ERY.NY TENA ATAHORAKO DIA SAO MBA HAMPIHENA NY ISANY OLONA MIVIDY IO GAZETY IO ILAY TITRE BE EO ANOLOANA IO .
    MISAOTRA KA VELOMA.

  • #23

    JJ (vendredi, 11 mai 2012 13:29)

    izany de oe malalaka e!
    katsaka anaty lapoaly io ka ze tsy matanty mipitsika
    sur!!!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra