mer.
28
avril
2010
Nanamafy Atoa Joaquim Chissano avy amin’ny Sadc fa izy no mpanelanelana amin’izao fampihaonana ho famahana tanteraka sy maharitra ny olana politika any Madagasikara izao. Io no anisan’ny fanambarana nataony tamin’ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety tamin’ny 2 ora latsaka fahefany teo ora eto Pretoria. Izao fampihaonana izao hoy izy dia vokatry ny fanasana nataon’ny Filoha Afrikana Tatsimo Jacob Zuma sy ny Sadc, hahitana vaha olana maharitra hifanarahana sy handraisan’ny rehetra anjara. Fantatra ihany koa fa hanampy azy ireo amin’izany ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona Afrikana Jean Ping, sy ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc Thomas Augusto Salamao. Efa nihaona tamin’ireo filoha mpitarika ny ankolafy 3 aho hatramin’ny omaly hoy ny Filoha Joaquim Chissano , nihaona tamin’Atoa Andry Rajoelina, ny Filoha Marc Ravalomanana ary ny Profesora Zafy Albert. Satria androany tamin’ny 12H15 teo vao tonga teto amin’ny Hotel Sheraton eto Pretoria ny Amiraly Didier Ratsiraka dia izao tolakandro izao izy no hihaona manokana aminy. Ao aorian’izay, hampihaonina manokana ny Filoha Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina , eo ambany fiahiany sy ny Filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma, hiresaka ny olana manokana sy ny tena mbola vato misakana amin’izao olana any Madagasikara izao.