mar.
27
avril
2010
Voaresaka matetika ny tontolon’ny “orgasme”, na ny fotoana maha-hetsaka eo amin’ny vehivavy. Mbola mety hifono tsiambaratelo ihany anefa izany ho an’ny sasany. Ireto misy zavatra tsara ho fantatra. Teny grika “orgasmos” no nihavian’ny hoe “orgasme”, izay azo adika malalaka hoe fibontsonana mahery vaika....
Mety ho hetsaka avy hatrany ny lehilahy folo minitra handehanan’ny firaisana ara-nofo. Mila hatramin’ny roapolo minitra kosa ny vehivavy amin’ny ankapobeny vao ho afaka ho tonga amin’izany. Efatra segaondra eo kosa no faharetan’ny hetsaky ny lehilahy, raha maharitra hatramin’ny 15 segaondra ny an’ny vehivavy. Voalaza ihany koa fa afaka miaina tsara ny “orgasme” ny olona iray mandritra ny torimasony. Ny eritreriny fotsiny dia mahatonga izany fa tsy voatery handalo amina firaisana ara-nofo. Taitra tampoka amin’ny torimasony izy vao tonga saina hoe nofy sa tena izy ilay hetsaka. Misy milaza fa manampy amin’ny fampihenam-batana ny firaisana ara-nofo. Ny azo antoka dia telo kaloria monja no very mandritra ny fotoana maha-hetsaka raha mandany hatramin’ny 50 kaloria ny fanaovana ny dingana voalohany dia ny orokoroka sy ny safosafo mialoha ny tena firaisana. Asa raha fantatrao ihany koa, ankoatra ireo, fa misy ireo lehilahy miala aina eo am-pihetsahana. Ny lehilahy manao firaisana ara-nofo amina vehivavy hafa ankoatra ny vadiny no voalaza ho tena tratr’izany. Fantatra ihany koa anefa fa mety hisoroka ny aretina homamiadan’ny “prostate” ny fihetsahana matetika eo amin’ny lehilahy.