mar.

27

avril

2010

Andry Rajoelina: Handroso maty raibe, hihemotra maty renibe

Kendan’ny vmanga nasesiky ny tanany i Andry Rajoelina. Tsy hisy fizahozahoana intsony manomboka eto, fa raha tsy manaraka ny sitrapony, dia tsy hanao sonia any Prétoria izy. Tsy maintsy zaraina ny toerana, mba hiverenan’ny fahatokisan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena. Hanomboka anio ilay fivoriana atao any Afrika Atsimo, ary dinika hiara-misaina no atao, fa tsy fanaovan-tsonia fotsiny araky ny nambaran’ny filohan’ny FAT teny an-dalambe ny herinandro lasa teo. Efa any an-toerana avokoa ireo delegasiona efatra, izay omaly no niainga teto antanindrazana....

Dinika farany hivoahana amin’izao krizy izao io. Miandry izay havoakan’io dinika io izao tontolo izao, ary ampy izay ny fanaovana kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena hoy ny hery samy hafa. Nye o anivon’ny Mada ho amin’ny fampiraisam-pirenena, dia nampiakam-peo fa tokony havoakan’ i Andry Rajoelina izany protocol d’accord voalazany fa fa sonia sisa ho atao izany. Mpivadi-dela no mpanapotika tanindrazana no hiantsoany ny filohan’ny FAT ankehitriny. Ampy izay hoy ramatoa Lalatiana Ravololomanana, ary fepetra henjana no hampiharina amin’ny olona tsy mitana ny teny nomeny toy izao. NY Otrikafo izay nanao hosana izao fitondrana tsy ara-dalana izao, dia niventy fa tsy Andry Rajoelina intsony no vaha-olana. Fanakianana mivaivay no nataon’ingahy Rajaonah mpitarika ity otrikafo ity. Tsy misy firehana iray izay tsy manameloka ny fomba fiasan’ny FAT miankavy. Herintaona sy roa volana izay, tsy nahita ny lalan-kivoahana izy ireo, nefa dia mbola mitongy seza sy mampiasa herim-pamoretana etsy sy eroa. Tsy mandry fahalemana ny tany, ary mitombo andro aman’alina ny tsy an’asa. Ireo mpitondra kosa anefa migalabona amin’ny karama be sy ny fandrobana ny fananan’ny filoha teo aloha Ravalomanana. Ny fanondranana ny hazo sarobidy tsy lazaina intsony. Mihozongozona ny ankamaroan’ny sezan’ny mpikambana maro amin’ity tetzamita ity, ary izay no isan’ny nanipazan’izy ireo hoditra akondro amin’ingahy Andry Rajoelina tsy hiazo atsy Prétoria, sitrany ahay mbola mitsetsitra ny mamy sisa tavela amin’ny harem-pirenena. Hanomboka anion y dinika tsy azo hiodivirana atsy Afrika atsimo. Na hanao sonia na tsia i Andry Rajoelina, dia tsy afa-bela amin’ny zava-misy ankehitriny ny tenany sy ny mpanara-dia azy. Handroso maty raibe, hiemotra maty renibe. Sa mbola misy lalana ambanin’ny tany hitany, ankoatry ity dinika ity afahana manarina ny firenena? Samia mandinika. Indro avoakanay eto ambany ny ampahan-karama raisin’ireo mahery fo tia tanindrazana amin’izao fitondrana izao. Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra