mar.

27

avril

2010

Ady varotra politika: Mety ho fandaniana andro ny atsy Prétoria

Ora sisa isaina dia higadona ilay fotoana hiandrasampanovàna eo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Minitra sy segondra izay hitondra antsika any amin’ny fahombiazana, na fahaverezana, raha toa ka tsy misy ny fifandeferana eo amin’ireo mpitarika ny ankolafy efatra ho atsy Prétoria. Kely finoana ny rehetra raha mahita ny ady varotra politika mitranga eto antoerana alohan’ny hisian’ny dinika.....

Sonia sisa atao, hoy i Andry Rajoelina, raha nidina teny Analakely ny tenany ny herinandro lasa teo. Mbola nohamafisiny io, fa tsy handeha izy raha tsy mazava aminy ny dia ho atsy Afrika Atsimo io. Tsy hiady hevitra no handaniany fotoana, ka nohizingizininy fa sonia fotsiny no atao any. Ny filoha teo aloha Ravalomanana, izay nanambara tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny, Guy Rivo Randrianarisoa, dia nanamafy fa tsy mbola nisy izany “Protocole d’accord” izany teo amin’i Andry Rajoelina sy Ravalomanana. Ny hitarika ny fivoriana etsy ankilany, dia mbola mampatahotra ny sasany, satria niely ny feo fa ingahy Chissano Joaquim no hitarika ny fotoana? Ny masoivoho Frantsay sy ny masoivoho atsy Afrika Atsimo anefa, dia nanao fanambarana ny zoma lasa teo raha nihaona tamin’ny filohan’ny FAT dia nitondra fanazavana mikasika io fihaonana izay hatao manomboka rahampitso io. Tsara ny milaza fa mahatratra 10 avy no isan’ny delegasiona handray anjara amin’ity dinika atsy Afrika atsimo ity. Raha sonia fotsiny no hataony any, ilaina ve ny mitondra delegasiona betsaka toy izao? Ahiana ho fandaniana andro fotsiny ity fihaonana any ivelany ity, satria toa samy hitazona ny heviny avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Raha sanatria ka hitsefotra io dinika io, iza no tompon’antoka amin’ny fahavoazan’ny firenena eto? Hipetra-potsiny amin’izao ve ireo olobe eto amin’ny tanindrazana, ka olona tsy hahay hifanaraka mandrakizay no antenaina lava eto? Isika no mandinika, fa entina am-bavaka ny zavatra rehetra, satria ny vavaka manova zavatra. Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra