sam.

24

avril

2010

Prétoria: Ahiana ho lasa lamokany

Kely finoana ny maro amin’ilay dinika hatao atsy Afrika atsimo Prétoria ny alarobia ho avy izao. Tsy hisy fifandeferana eo amin’ireo ankolafy efatra, ary ho lasa lamokany fotsiny io dinika, raha ny resaka sakoroka arankevitra nitranga tao anatin’ny fotoana fohy no jerena......

Taor ian’ny fanambarana nataon’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina tetsy Analakely ny alakamisy teo, dia mahalasa saina ny rehetra ny nambarany milaza fa tsy hanao resa-be no handehanany any, fa hanao sonia. Raha tsy mazava ny resaka izay atao any dia mety tsy handeha ny filoha Andry Rajoelina. Tsy lavitra eo, dia manangam-bovona ihany koa ireo mpikatroka ao amin’ny FAT, fa tsy mila apetraka eto intsony ny politika nataon’ny teo aloha. Midika avy hatrany io, fa fanakanana ny hiverenan’ny filoha Ravalomanana eto no tanjona. Tsy ho diso ny fisainana raha hilaza fa isan’ny tetika iray hanilihana tsy ho avy eto Madagasikara ny fikitihana ny raharaha 7 Febroary, izay nambaran’ny minisitry ny fitsarana ao amin’izao tetezamita izao. N y d i n i k a ma n g i - na eo amin’ny ankolaf y Ravalomanana tarihan’ingahy Raharinaivo Andrianatoandro amin’ny ankolafy Rajoelina toa mandeha ihany. Iry voalohany izay nitafa tamin’ny mpanao gazety ny alakamisy teo tetsy Bel Air, fa izay ahitana vaha-olana no maika. Dinika izay, tsy natrehan’ny avy ao amin’ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert, ary miendrika fanombohan’ny fisamatsamahana hoy ny mpi tazana. I reo rehet ra ireo no hilazana, fa mety ho lasa lamokany ity dinika ho atao atsy Afrika atsimo ity. Fifanarahana tokony ho teo amin’i Andry Rajoelina sy Ravalomanana no atao, nefa niditra indray ny vondron’ny mpanelanelana sy ny ankolafy roa hafa. Nifanohitra tanteraka tamin’ny hetsika saika hataon’ny Frantsay io, ary io no mety mampihisatra an’i Andry Rajoelina, ka nametrahany fepetra mialoha? Raha tombanana avy aty ivelany ireo rehetra ireo, dia mbola hijanona ho resaky ny moana sy marenina ihany ny famahana ny krizy eto. Fepetra ho raisin’ny fitondrana tetezamita ankehitriny, ny hanatanterahany fifidianana samirery, ary hiroso amin’ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta hitambarana izy ireo. Raha ireo dinika manokana tao ho ao, handray anjara ao amin’izany ve ny mpikambana sasany ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, ka hanadino ny hevi-dehibe nibaiko azy ireo hatrany am-boalohany? Ho hita eo, fa ny firenena aloha hatramin’izao, dia mihamilentika andro aman’alina any anaty hantsana ihany. B.V

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra