sam.
24
avril
2010
Manana karazana olana eo amin’ny fiainana ara-pananahany manokana ihany koa ny lehilahy. Ilay mahatonga diso haingana loatra aloha hatramin’izao no voalaza ho olana voalohany ho azy ireo sy ho an’ny vadiny. Ity ny fanadihadiana momba izany, navoakan’ny PE Confidential. “Ejaculation précoce” no anarana iantsoana io olana io amin’ny teny vahiny.....
Mitranga izy raha toa ka tsy tonga amin’ny fotoana ilana sy iandrandrana azy ny ranon’ain’ny lehilahy. Voalaza fa ny 30%- n’ny lehilahy no misedra izay olana izay. Mbola mitoetra ho zavatra fady anefa ny firesahana azy io amin’izao vanimpotoana izao. Tohin’ny fanadihadiana mantsy dia mahatsiaro ny tenany ho afa-baraka ny ampahatelon’ny lehilahy mahatonga diso haingana loatra, rehefa manao firaisana aranofo. Menatra ny vadiny izy ary manahy ny hihenan’ny fitiavana. Ny 25% indray dia mahatsiaro ny tenany ho diso, ka misy mihitsy ny mivoaka ny efitrano maka rivotra any ivelany. Mikasika ny fiarahan’ny mpivady moa dia voalaza fa mety hampisy elanelana eo amin’ny olon-droa ny fisian’izay olana izay, raha tsy ifampiresahana mazava. Miala ny fahatokisan-tenan’ireo lehilahy misedra azy. Lehilahy iray ao anatin’ny folo no mahavita miresaka izany olana izany amin’ny mpitsabo. Ny toro-hevitra voalohany sy tsara indrindra azo atolotra ny lehilahy tratry ny “ejaculation précoce” anefa, araka ny voalazan’ny manampahaizana dia ny firesahana izany amin’ny vady aloha ary ny fanatonana mpitsabo aorian’izany. Hita tamin’ny fanadihadiana ihany fa ny Frantsay no tena misedra izay olana izay indrindra eran-tany. Ny Espaniola kosa no tsy mba miaina azy. Ny rarin-tsaina sy ny havizanana isan’andro, ny tsy fifantohan-tsaina dia mety ho samy antony mahatonga ny olana avokoa, ka ny firesahana amin’ireo manam-pahaizana manokana ara-pahasalamana samirery ihany no mety hamahana azy.