sam.
24
avril
2010
Nahavita dingana lehibe sy goavana tao anatin’ny fotoana fohy iny olona iny. Tsy teto an-toerana ihany fa teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. Marina fa mbola tsy nisy fifidianana teto ka nahafahana nandrefy ny hery sy tanjaka ananan’ny antokon’iny olona iny, kanefa dia efa manakoako isak’izay miresaka izy, fa handray anjara amin’ny fifidianana.....
Antoko hafakely tsy tahaka ny mahazatra antsika rehetra teto ny antokony. Antoko mikatsaka ny fiarovana ny tontolo iainana. Nantitranterin’iny olona iny nandritra ny fandraisany fitenenana tamin’ny fivoriana an-tampony teo amin’ireo antoko mitovy fijery aminy teto Afrika fa ny rano, ny tany ary ny tontolo iainana no fototry ny fivelaran’ny tsirairay sy ny toe-karena. Tsy misy firenena afa-miala amin’ny krizy ara-tsakafo sy ara-angovo. Fantatr’ireo mpanararaotra izany hoy iny olona iny, ary isika olombelona rehetra dia tsy maintsy hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra amin’ny fiarovana ny aina sy ny olombelona. Tsy tokony ho tany fambolena ny “agrocarburant” tsy azo hanina toy ny “jatropha” ny tany azo hambolena sakafo. Ny fanaovana ireny fambolena ireny dia tsy hitondra antsika ho any amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo velively, fa mety hampitombo hatrany ny fahapotehan’ny ala izay efa tena kely dia kely sisa… Fahombiazana tanteraka no azon’iny olona iny tany amin’io fivorian’ny mpandala sy mpiaro ny tontolo iainana taty amin’ny faritra Afrika io, ka tsy nahagaga raha voafidy ho filoha lefitr’ity fikambanana goavam-be ity izy. Dia faly indray ny malagasy fa hay misy olona tena mahatsinjo lavitra sy afaka hiaro ny tontolo ho maitso ary hitandro ny ain’olombelona tokoa eto Madagasikara eto. Inoana fa hisy tohiny sy vokatra azo tsapain-tanana ny fihaonana arahin’ady hevitra karakarain’iny olona iny. Tsy ho maitso malama, hamingana sy handavo ny hafa, fa mba ho maitso mavana ny tontolo mba hiriariavan’ny taranaka fara aman-dimby e. Dadan’I Ranto.