sam.

24

avril

2010

Fivoriana maika: Mazava amin’izay ny sain’i Rajoelina

« Ny filohan’i Afrika Atsimo Jacob Zuma tokoa no hitarika ny fihaonana any Pretoria, fa hanatrika izany ihany koa ny mpanelanelana Joaquim Chissano. » Izay no votoatin’ny fihaonana maika niarahan’ny masoivoho Afrikana Atsimo Sam Mokgheti Monaisa sy ny masoivoho frantsay Jean-Marc Châtaigner, omaly, tamin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.....

Fihaonana notapahina maika be tokoa ity niarahan’izy telo mirahalahy mianaka ity, araka ny fandehan’ny raharaham-pirenena, satria vao ny omalin’io ny filohan’ny tetezamita no nilaza fa tsy ho any Pretoria velively raha vao tsy mazava aminy fa fanaovana sonia no halehany any, noho izany tsy hisy intsony ny mbola adihevitra. « Ny fihaonana eo amin’ny filohan’ny Repoblika Ravalomanana Marc sy ny filohan’ny Fat Rajoelina Andry, hoy ihany ny fanambarana avy amin’ny masoivohon’i Frantsa, dia hamarana ilay fifanarahana izay efa neken’ny roa tonta ny hevi-dehibe. » Hanaraka ho azy ny ankolafy roa hafa rehefa tontosa ny fihaonana mialoha izany. Asa aloha raha hanova ny firesaky ny hery politika isan-karazany amin’izay io fihaonana omaly io, satria nanodidina izay endriky ny fifanarahana hatao any Pretoria izay ihany no nolazaina fa antony hanekena na tsia ny handehanan’i Andry Rajoelina any.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra