sam.

24

avril

2010

Basy tsy mipoaka: Ampireheto àry aho!*

Tsy misy politika mandeha amin’ny fo izany mihitsy fa hadalàna ny an’ireo misaina fa hahomby amin’ny fitantanan-draharaham- panjakana ka ny fo no ampitenenina fa tsy ny saina. Rehefa tsy zakan’ny loha ny adihevitra dia mandeha ho azy ny bontolo amin’ny tsy antony. Fa inona marina moa no olana eto e? Sao mba varivarian’ny lavitra àry ka ny eo ambany maso avy no tsy tazana.....

N’iza n’iza hitondra ity tetezamita ity dia ilaina ny fankatoavan’ny malagasy maro an’isa sy ny sehatra iraisam-pirenena. Ka manana izay fankatoavana anatiny sy ivelany izany ve ny fat? Manana fahefana izy fa tsy mahatondra fanjakàna. Noho ireo antony vitsivitsy ireo dia voatery ny fitondrampanjakana ankehitriny nitady vaha-olana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nanomboka tamin’ny volana aogositra 2009. Tsy sahy nanatanteraka ny fifanarahana rehetra satria na ny vondrona misy ny mpitondra aza dia tsy nanana olona nifanarahana notendrena amin’ny toerana tokony ho azy. Ireo filoha telo mirahalahy voahongana teo amin’ny fitondrana ve dia tena mila izao krizy izao mba hitohy lavareny ? Misy mpanara-dia ireo ary tsy azo hamaivanina ny fihetsika rehetra nataon’ireo. Ary ny vahoaka mpanaraka ireo fironana roa (roa fa tsy efatra) mpifanandrina ireo ve tena mahazaka izao tsy fivahan’ny krizy izao ? Tsia, sempotra ny rehetra ary dia tena leo gidragidra sy sakoroka Tsy misy antony tsy hirosoana any amin’ny dinika. Hadalàna sy fitiavan-tena ny fametrahana fepetra mialoha ny dinika rehetra. Tsy misy fanjakana tena hahafehy ny fitantanana eto, raha tsy mahazo ny fankatoavan’ny fironan-kevitra amin’ny ampahany betsaka. Koa na iza na iza isika mpiray tanindrazana, na inona hevitra tohanana na inona, dia tsy vaha-olana ny fandrisihana ny olona mpitarika antsika ho amin’ny fitodihan-damosina sy ny adilahy. ”Ampireheto ary aho”: aleo hivaivay ato anatiko ny fandeferako amin’ny hetsika rehetra ataoko, ka izaho mihitsy no ho sorona ho an’ny tanindrazako. Niezaka mafy aho nitady izay hivoahana amin’izao kizo izao ary tena sempotra sy may. Tsapako fa ny zavatra tsy hay tokoa tsy azo hibitabitahana, ary tsy misy mahay mamindra mihoatra ny akoho, fa rehefa tojo sahafa solafaka ihany. Ô ry akamako aza avela irery aho… tsara raha miaraka! Lehibe aho izao ka tsy hidongidongy intsony e! (*)Vakio hoe:< à prétoria!> Ony rambelo

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    lota vendrani (lundi, 26 avril 2010 10:20)

    ngah mo tsy azo apoaka izy ity razoky? sa d handefiytra foana eto? mba jereo ihany zay kaozy izay

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra