ven.
23
avril
2010
Nanao tatitra sy nampahafantatra ny mpanao gazety Andriamatoa Raharinaivo Andrianantoandro, tao amin’ny foibe Tim tao Bel-Air. Io fifanarahana io dia nairahany nidinika tamin’ny solontenan’ny ankolaf y Rajoelina dia i Zazah Ramandimbiarison izany. Raha ny votoat in’ny hevitra ao dia tsy mivaona amin’ny Satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba, .....
fa manamafy sy manomana fa io sata voasonia tany io no tena vahaolana, ary koa manisy hevitra momba ny tolo-kevitra izay nomanin’I La Frantsa , izay hita fa manome vahana kokoa ny ankolafy Rajoelina satria sady tsy vitan’ny mivaona amin’ny satan’i Maputo no mbola manafoana ny Antenimierampirenena sy ny loholona koa, nefa ireo rafitra roa ireo no tena akaiky sy mahalala ny tadiavin’ny vahoaka madinika, ary koa izy ireo no afaka manara-maso ny fifidianana sy afaka manao tatitra mivantana izany amin’ny vahoaka nifidy azy. Koa noho izany dia nilaza ingahy Raharinaivo fa tsy tokony hitsabahan’i La Frantsa ny dinika fa mba hipetraka ho mpanara-maso fotsiny izy mandritra io dinika ao Afrika Atsimo io. Inty ary ny fehi-kevitra izay niaraha-nidinika tao izay efa nomena ny filoha mpitarika ny ankolafy efatra sy ny masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika , ka any Afrika atsimo amin’ny 28 aprily ho avy izao no ho laniana ny votoatiny. 1- Manoloana ny fahasahiranana eto amin’ny firenena vokatry ny krizy politika dia tsy maintsy mandray andraikitra izahay. 2- Na olon-tsotra, fikambanana, antoko na ankolafy dia manana adidy hikaroka vahaolana hampijanona ny krizy. 3- Tsy misy angamba olona na antokon’olona mandà ny hisian’ny filaminana sy ny fiafaran’ny krizy eto Madagasikara. 4- Ny f ihaonana any Johannesburg dia natao ho alanenina hamahàna ny krizy ka saro-piaro izahay amin’ny tsy maintsy ahitana vahaolana any. 5- Nisy ny fifanatonana teo amin’ny ankolafy Rajoelina sy ny ankolafy Ravalomanana mba handinika mangina ny vahaolana ary hitondra izany eo anivon’io fihaonana any Johannesburg io. 6- « Convention pour la paix et la sortie de crise » no soson-kevitra niarahana namolavola. 7- Manaja tanteraka ny « esprit de Maputo » izy io ary efa maro ireo vahiny namaky azy ka manohana feno. 8- Misy koa ireo firenena samihafa toa an’ny Firenena Frantsay izay mikatsaka vahaolana, kanefa diso mifandaka loatra amin’ny voafaritra tao amin’ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba ny soso-kevitra natolony. 9- Ao anatin’izany ohatra, ny fanaisorana tanteraka ny fiaraha-mitantana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ao koa ny fanafoanana t sot ra i zao ny Antenimiera roa. 10- Nodradradradraina fa ny fiverenana amin’ny « ordre constitutionnel » no hany vahaolana raha tsy hiresaka afa tsy ny fiverenan’ny famatsiam-bola. Tafiditra anatin’izany ny fanajana ny safidim-bahoaka raha tsy hilaza afa tsy ireo solombavam- bahoaka sy loholona. 11- Ilaina ny filaminana, ilaina ny fihavanana satria miara-miaina eto ny ankolafy rehetra. Vahaolana maharitra no tadiavina ary mino izahay fa takiantsika Malagasy rehetra izany filaminana izany ankehitriny satria efa diso lava loatra ity krizy ity. 12- Koa manao antso avo an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hanapaka any Johannesburg izahay mba tena hametraka avo ny tombon-tsoa ambonin’ny firenena ka hamoaka tanteraka ny firenena amin’izao krizy izao.