ven.

23

avril

2010

Ireto ny ahitana ny « point G »

Firesaka hatrany fa ny fikitihana ny “point G” ao amin’ny fivaviana no tena manome fahaf inaretana amin’ny resaka firaisana ara-nofo. Ireto ny fihetsika tsara atao, lazain’ny manam-pahaizana fa manampy tsara hikitihana io faritra io. Mialoha ny rehetra dia tsara aloha ny hamantarana hoe aiza tsara ao amin’ny fivaviana ny “point G”...........

Raha atsofoka any ny rantsan-tanana roa dia hahatsapa faritra malamalama, tsy izay ilay izy. Raha tohizina dia mety ho voakitika ihany ny faritra somary mivoitra, tsy mbola izay ihany koa ilay izy. Rehefa somary alentika kely ihany hidona amin’ny tatavia ny rantsan-tanana dia haharay faritra kely somary marokoroko, mahatonga anao te hivalan-drano izany. Io no “point G” aminy. Ireto kosa ary ireo fihetsika voalaza ho tena manaitra azy io. Ny voalohany dia ilay antsoina hoe “califourchon”, izany hoe mipetraka eo ambonin’ny lehilahy ilay vehivavy. Atehina tsara amin’ny fandriana ny faldia roa. Somary ahondrika ho any aoriana ny vatana, atehika amin’ny tongotr’ilay lehilahy ny tanana. Sady mihetsika ny vatana no somary atosika amin’ny alalan’ny tongotra, ahazoany bahana tsara. Ankafizin’ny “point G” izany fihetsika izany. Mbola fihetsika ahazoana mikitika azy ihany koa ny “missionaire à l’équerre”. Toy izao indray izany. Mitsotra mitsilany ny vehivavy, ametrahana ondana eo ambanin’ny fitombenany. Mandohalika manoloana azy ny lehilahy. Afaka misafidy ny vehivavy, na hamoritra ny lohaliny hifanandrify amin’ny sorony, na hanatsotra azy ho eo ambanin’ny lehilahy. Iny fihetsika mifanandrify iny no tena ilain’ny “point G”. Afaka ikitihana ny “point G”, ankoatra ireo ny fihetsika avy aoriana. Raha mitsangana ilay vehivavy dia mitsangana aoriany ilay lehilahy. Somary mihantsika miondrika kely ilay vehivavy, saingy tsy atao be loatra. Afaka hoe atao eny am-pandriana ihany koa izay fihetsika izay, ka mandry mihohoka ilay vehivavy ary eo an-damosiny ny lehilahy. Ho hitanareo fa ho faly sy ho hetsaka avy hatrany ny “point G”.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra