ven.

23

avril

2010

Fihaonana atsy Afrika Atsimo: Tsy eken’ny mpomba an-dRajoelina

Nihemotra ny 28 aprily 2010 izao indray ilay fihaonana eo amin’ i reo mpi - tarika ny ankolafy efatra any Johannesbourg, Afrika Atsimo, saika hatao ny 24 sy 25 aprily ho avy izao. Voalaza, fa anton’ny fanemorana ny fihaonana ny fiomankomanana ara-pitaovana io fihaonana io, sy ny mbola tsy maha-ao an-toerana an’Atoa Jacob Zuma, filoham-pirenen’i Afrika Atsimo izay anisan’ireo nampiantso io fihaonana hamahana ny krizy politika malagasy io.....

Finiavana asehon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hamaha ny olana tsy voavahan’ny samy malagasy io hotanterahina atsy Afrika Atsimo io. Tohin’ireo fihaonana tany Maputo sy Addis Abeba, izay nolavin’ny ankolafy Rajoelina ny hampiharana azy, saingy matoa mbola hisy indray ity fihaonana ao Johannesbourg ity, dia tsy nahavaha olana ary tsy afaka nampihatra samirery izay heveriny hivoahana amin’ny krizy ny fitondrana FAT hatramin’izao. Tsy mbola mahomby noho izany hatreto ilay hoe « fikatsaham-bahaolana eo amin’ny samy malagasy », ary misy sakana lehibe, indrindra ny sakana ara-bola no tsy hahavitan’ny Fahefana avon’ny tetezamita mampandeha araka ny tokony ho izy ny fitondrana. Tapa-kevitra i Andry Rajoelina Ny adihevitra nataon’ny filohan’ny FAT tamin’ny mpanao gazety no nahafantarana ny fisian’io dinika atsy Afrika Atsimo io. Ka na dia mbola tsy nisy fanasana ofisialy voarain’ny ankolafy efatra mikasika io fihaonana io aza, dia efa nanambara ny ankolafy Ravalomanana sy ny « hetsika Madagasikara » miaradia aminy fa « tsy mandà ny hidinika hikatsaham-bahaolana amim-pitoniana». Hatramin’izao dia fantatra fa efa tapa-kevitra ny handray anjara amin’io fihaonana io i Andry Rajoelina. Tsy ankasitrahan’ny maro amin’ireo ny mpikambana ao amin’ny FAT, fikambanana,toy ny Otrikafo, sy ny ministra maro mpanohana azy anefa ny handehanany any sy hanaovany io dinika io. Tsy fantatra mazava izay antony, fa raha hadihadiana dia toa tsy mahatoky ny fahamatoran’ny filohany ireto andian’olona tsy marisika ireto. Ao ny milaza fa hiverina ho zanahan’ny Frantsay mandritra ny 50 taona indray ny Malagasy fa lalaovin’ny frantsay tahaka ny nilalaovany an-dRatsiraka sy Zafy Albert i Andry Rajoelina. Ao koa ny hoe tsy hitondra ny « fanovana » nimatimatesana tamin’ny tolona io dinika io, ka tsy tokony hankany. Tsy ny tombontsoam-bahoaka no hovoadinika any hoy ireo efa nahazo tombontsoa tamin’ny « tolona ».Misy moa ireo mampifandray ireny fikasana hanongam-panjakana ireny amin’io fihaonana io ka hilazan’izy ireny fa « tsy tokony hifampidinika amin’ny mpanongam- panjakana i Andry Rajoelina », sns. Dia sanatria ve izany hitodi- damosina na ho tezitra ka hidongy tsy hanohana an’ity filohany ity ireo tsy mankasitraka ny handehanany any nefa tsy mahita vahaolana hafa ? Sao dia tsy izay kosa ny tena marina ? Gérard R

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra