jeu.

22

avril

2010

Vonona tokoa !

Vita soa aman-tsara ny kongresin’ny antoko sy fikambanana najoron’iny olona iny. Nifanarahan’ny mpikambana rehetra fa iny olona iny no hitarika ity fikambanana lasa antoko politika ity. Anarana vaovao teo amin’ny sehatry ny politika malagasy ny anaran’iny olona iny, ary tsy vitan’ny vaovao fotsiny fa haingana dia haingana dia nalaza sy nanakoako eran’i Madagasikara. Mitovy fijery amin’ny tanora mpitondra ankehitriny raha iny olona iny, tany am-boalohan’izao hetsika ho amin’ny fanovàna izao......

Tanora mpanam-bola sy mpanefoefo iny olona iny, ary tsaroana tsara fa nisy fifanolanana tamin’ny mpitandro filaminana teny Antaninarenina teny mahakasika indrindra ny fandrobàna vola an-tapitrisany maro. Mifamahofaho moa ny fitrangan’ny vaovao tamin’iny raharaha iny, ka gaga ihany ny mpanara-baovao fa naverina teny am-pelatanan’iny olona iny ihany ny vola ampahany. Tato ho ato dia manana raharaha maromaro eny anivon’ny fitsarana sy ny bianco ihany koa iny olona iny. Ny mahatalanjona dia raharaha efa hatry ny fotoana maro tany aloha tany no hanenjehana iny olona iny. Tsy mbola fantatra mazava akory anefa ny tohin’ny raharaha dia tsinjotsinjo sahady fa misy toejavatra tena hafahafa sy mbola mistery ny raharahampitsarana mahasaringotra an’iny olona iny. Tsy mikosomaso amin’ireo mety hila vaniny aminy iny olona iny, ary noporofoiny fa marobe ny mpanara-dia azy, nandritra ny konferansy nasionaly voalohany nataony mantsy dia zavon-tany ny olona avy any amin’ny faritra rehetra any no tonga nanatrika izany taty an -drenivohitra. Sahin’iny olona iny no nitsikera mivantana ny mpitantana ankehitriny ka nilazany fa tokony hatsangana ny governemanta hifandrimbonan’ny sivily sy ny miaramila ho vaha-olana amin’izao kizo mahalatsaka lalina ny firenena izao. Am-pahasahiana no nanambarany fa tokony hiala sy hametra-pialana rehefa tsy mahita vahaolana ny mpitantana ankehitriny. Somary masiatsiaka ny fanambaràna nataon’iny olona iny tato ho ato koa inoana fa izany angamba no nisehoan’ireo raharaha maromaro voalaza tery ambony fa mahavoarohirohy azy. Samy tanora VONONA tokoa ka ho hitan’ny rehetra eny ihany izay tena SAHY e! Dadan’I Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra