jeu.
22
avril
2010
Efa-taona izay no nahaf ates an’ i R a z a k a… t a o amin’ny fokontany iray ao amin’ny firaisana faha-efatra. Fahafatesana vokatry ny fisotroana toaka be loatra no nahafaty azy. Andro alarobia no nandao ny tany ity raim-pianakaviana ity, ary nalevina ny alahady manaraka an’iny. Ny zoma alina talohan’ny nandevenana azy, dia taitra ny iray trano nandritra ny fiandrasam-paty, satria nihiratra ny mason’ity lehilahy ity.....
Tsy nihetsika kosa anefa ny voamasony araka ny fanazavan’ny rahalahiny. Rehefa nantsoina ny mpitsabo nijery izany, dia nanambara fa vokatry ny hozatra izay mifandrirotra no nampihiratra ny masony, ary nasiana fôrmôly ny razana. Rehefa handevina azy anefa ny alahady, dia nihetsika tao anaty vata ity raim-pianakaviana ity, ary saika tapitra nandositra ny ankamaroan’ny olona nanatrika ny fandevenana. Rehefa novahana anefa ny fatoran’ny razana, dia hita fa maty tokoa ity lehilahy ity. Tsy naverin’ny fianakaviany nofatorana intsony ny razana, fa hariva loatra hono raha mbola hamatotra izany, ka tratry ny masoandro milentika eo. Ny nanaitra ny maro, dia raha nandevina tao amin’io fasana io ny mpiray fasana ny zoma teo, dia nahita ny fatin-dRazaka… nivokoka teo amin’ny varavaram-pasana. Toy ny olona vao maty omaly hoy ny nanatri-maso ny fahitana azy, saingy nivoaka olitra maro be kosa ny vavany. Naverina tamin’ny toerany nisy azy teo aloha ny razana. Maro no nanambara fa velona tao am-pasana Razaka…, saingy tsy tafavoaka tao amin’ny nandevenana azy. Niteraka resa-be teo amin’ny havan’ny maty ity tranga ity, ary nitamberina tao an-tsain’izy ireo avokoa ny zava-nisy rehetra tamin’ilay masony nihiratra sy ny nampihetsika ny razana nandritra ny fandevenana. Ireo tsy nahita kosa dia maro no nanambara fa angano sy arira avokoa izany. Raleva zokiny