jeu.
22
avril
2010
Fantatra ary araka ny fandinihana nataon’ny manampahaizana fa manampy betsaka hananana saina mazava afaka hiatrika amim-pilaminana ny olana ny fihomehezana matetika. Manana fomba fijery tsara amin’ny tontolo manodidina azy ny olona mpihomehy lava. Voalaza ihany koa fa mamparani-tsaina ny hehy. Mahasalama izy satria mampitsotra ny hozatra rehetra ao amin’ny vatana ary manampy amin’ny fikorianan’ny ra. Misy mpikaroka nilaza mihitsy aza fa mahatanora folo taona ny fihomehezana matetika. Eo amin’ny lafiny fiarahamonina indray dia mora mifandray kokoa aman’olona ny mpihomehy. Betsaka no hitsiriritra hiaraka hiresaka aminy ary ho lasa namany. Fihetsika tsotra, tsy vidiambola, nefa manampy betsaka amin’ny fiainana ankapobeny ny hehy. Antsika no misafidy na hihomehy matetika amin’izay amin’izao andro manaraka izao, na hitoetra ho montotra lalandava eny. Avy eo vao samy hizaka ny vokany, na ho anti-dava sy ho kentron’endrika eny, na hijanona ho tanora lalandava.
Raha tsy diso aho dia tsy mifanaraka ny lahatsoratra mahakasika lay resaka fofona sy ny tohina satria toa lasa resaka hehy ndray lay izy nony teo ambana ka somary hafahafa ihany.
Misaotra Tompoko
ôtr'zay lé fivaviana rehefa mivanitika, lol
