jeu.

22

avril

2010

Fanendrena an’i Camille Vital: Nihemotra indray ny fotoam-pitsarana

Raha ny tokony ho izy dia, omaly maraina, tetsy amin’ny Fitsarana Tampony misy ny filan-kevi-panjakana tetsy Anosy no nandinihana ilay fampiatoana ny fanendrena an’i Camille Vital ho praiministra ary ny hitazonana an’i Eugène Régis Mangalaza, izay notakian’atoa Albert Zafy, Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana. Mitondra ny laharana 97/10 ADM io raharaha io.....

Hahemot ra amin’ny fotoana tsy voafaritra indray ny fandinihana ity raharaha ity. Ny mpisolovava Hanitriniaina Rakotomavo no solontenan’ny mpangataka. Raha ny tapaka tany Addis- Abeba mantsy dia Eugène Mangalaza no praiministry ny marimaritra iraisana taorian’ny nanesorana an’i Monja Roindefo Zafatsimivalo. Ireo ankolafy telo dia milaza hatrany fa i Camille Vital dia praiministry ny ankolafy Rajoelina, izany hoe tsy niaraha- nanapaka ny fanendrena azy. Hiverina hihaona any Johannesbourg ireo mpitarika ny ankolafy efatra atsy ho atsy, ka tsy maintsy hodinihina any ity raharaha Mangalaza sy Camille Vital ity. Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra