jeu.
22
avril
2010
Ireo olona roa ireo no tena misy olana amin’izao fotoana izao ka mila aravona aloha ny olan’izy ireo”. Mbola nampiany hoe: “ tsy maintsy jerena ny hoe inona no hanarenana an’io”. Hatramin’izao aloha dia mbola tsy nahazo fanasana ôfisialy amin’ny fihaonana kasaina hatao amin’ny 28 aprily ho avy izao, ny ankolafy Zafy. “Raha misy iadian-kevitra dia ny lasitra fototra Maputo sy Addis Abeba no hiaingana. Efa io no nosoniavin’ny filoha 4 dia jerena ny anton’ny tsy nahatanteraka azy. Tsy hanova na inona na inona mantsy ny fiziriziriana”, hoy Emmanuel Rakotovahiny. Mikasika ny fiantsoan’ireo pastora ao amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana, ireo ankolafy efatra eny Mandriambero, anio, mba hifamela alohan’ny dia any Johannesburg, dia nilaza izy fa “izaho no hitarika ny ankolafy Zafy. Olona 10 izahay no eny”. Rariana tokoa mba hisy ny fifamelana, izay isan’ny taratry ny fampihavanam-pirenena. Tsiry