jeu.
22
avril
2010
Tsy velon-kantenaina, tsy maty hafoy ilay fihaonana any Afrika Atsimo. Asa raha ilay izy mitodi-doha mianatsimo na ahoana, fa kely finoana hatrany ny malagasy rehefa ny zavatra no tanterahina any atsimon-trano. Samy mifanilakilaka sy mifanome tsiny eto isika mianakavy fa tsy misy hevitra iraisana mihitsy hatramin’izao. Dia mampatsiahy ilay tenin’ny Kardinaly nodimandry iny manao hoe:” Izay mahasoa re no ataovinao Andriamanitra ô!” .....
Ady hevitra tsy hita lany ny fisehoan-javatra, ary mahakivy ny ankamaroan’ny olona ny teny tsy ambina ataon’ireo tompon’andraiki- panjakana ankehitriny. Tsy sanatria mamisavisa ratsy ho an’ity firenena ity fa tsy adala sy tsy mahataka-davitra anie ny vahoaka ka hanaovana ronono an-tavy sy fampandriana adrisa isan’andro vaky izao…Rava hatrany ny fitondrana nifanesy teto rehefa miteniteny foana sy tsy mandinika ny zavatra ho lazaina, ary ireny indrindra no pitik’afo nampirehitra ny vanja. Teny maromaro no ho tsiahivina dia samy mitsakotsako fotsiny: “Tsaky ,tsaky, zato arivo”…”na hiodina im-pito na im-pitopolo ny manda aza tsy maharototra ahy”…”le petit laitier”…”tsapao aloha ny hery”…”raha mbola misy ho totofana dia hototofako”. Amin’izao fotoana izao dia maro ny teny fihantsiana mahatonga tsy filaminan-javatra amin’ny tokony ho izy <natao ho ampiasaina ny basy>, <faty mikararàna raha izaho no tany>. <tsy azo eritreretina ny fodiany eto>…<tongava aty raha hisambotra ahy>. Tsy mbola haka lesona sy anatra amin’izay zava-nisy teo aloha ihany ve isika rey olona ka hiteniteny foana vokatry ny fo rano mafana ihany? Anjaran’iza izany no hanilika ireny teti-dratsy ireny? Sa avela hilona anaty fifankahalàna ny vahoaka? Aza mampihomehy hoy ny tenin-jatovo. Fantany tsara fa fitaka no ataonao matoa izy miteny sy manontsana anao ho mampihomehy. Ny tokony hampihatra lalàna, lasa mpandika lalàna. Miraviravy tanana ny ankamaroantsika manoloana ny tsy fandriampahalemana kanefa inona moa no antenaina eto ? Ny tandroka aron’ny vozona mihitsy anie no efa nanao fanambaràna fa “akohokely latsaka an-kady ny vahoaka” ankehitriny e! Dia ao ianao sy ny tranonao fa iza moa no haka anao ao ankady ao? Mivavaha mafy sao hisy <samaritàna tsara fanahy> handalo eo… Ony RAMBELO