jeu.
22
avril
2010
Vita sonia omaly tetsy amin’ny biraon’ny ministeran’ny fanatanjahantena tetsy Ambohijatovo ireo antontantaratasy mametraka ny mpanazatra vaovaon’ny Barean’i Madagasikara, dia ilay teratany frantsay Jean Paul Rabier. Nialoha izao dia niara-nidinika tamin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamitra sy ny minisitry ny fanatanjahantena, Ramamonjisoa Virapin ary ny filohan’ny federasiona malagasy taranja baolina kitra, Ahmad izy .....
Asa izay apoakan’ity teratany frantsay ity, fa raha ny karamany aloha dia mifanalavitra noho ny an’ny minisitra sy ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversité ary ny mpitsara mihitsy aza. Mahatratra 8.000 Euro na 23 tapitrisa ariary any ho any ny karama horaisiny isam-bolana ary haharitra 20 volana ny fifanarahana hiasany ho an’ny Barea. Hanomboka ny voalohan’ny volana mey ho avy izao io 20 volana io. Hanofana ny barea hiatrika ireo fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2012, hitily sy hifantina ireo mpilalao malagasy avy eto an-toerana sy avy any ivelany, hanampy ireo ekipa teknika hitantana ny barea latsaky ny 17 taona sy latsaky ny 12 taona, hanofana ireo mpanazatra, hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro toy ny CHAN sy ny COSAFA, ireo no ho ambetin’ny andraikitr’ity mpanazatra ny barea vaovao ity. Ny fanjakana malagasy no hanarama azy sy hiantoka ny fampiantranoana sy ny sakafony ary ny pitsopitsony rehetra toy ny fitaovana ilainy mandritra ireo 20 volana ireo. Ankoatra ny karama dia hotambazana 2 alina euro ihany koa Ingahy Jean Paul Rabier raha tafita hiatrika ny dingan’ny famaranana amin’ny CAN 2012 ny ekipam- pirenena malagasy. Ho fiatrehana izany sahady dia nalain’Ingahy Rabier ny anaran’ireo mpilalao « présélectionnées » tato anatin’ny telo taona farany. Ankoatra izay dia hanana zo hiala sasatra mandritra ny herinandro izy ary hiantohana tapakilana fiaramanidina miisa efatra. Ingahy Rabier Jean Paul moa dia teraka ny 25 janoary 1955 tany Vendôme (Loir-et- Chair). Milanja 75kg ary mirefy 1,78m. Nilalao tao amin’ny Stade Lanionnais talohan’ny taona 1972, tao amin’ny stade Rennais teo anelanelan’ny taona 1972 ka hatramin’ny taona 1979. Nifindra tao amin’ny US Valenciennes Anzin ny taona 1979 ka hatramin’ny 1984 ary tao amin’ny RC Lens taorian’io. Efa nahavita dingana sy nitana andraikitra maromaro ihany koa izy raha teo amin’ny sehatra fanazarana ekipa, satria efa nitantana ny EA Guingamp (1988-1989), La Roche Vendée Fotballl (1990- 1992)n FC Rouen (1994-1995), RCFC Besançon (1995-1997), AS Vitré (1998-2000), SCO Rangers (2000-2001), Etalons Burkina faso (2002-2004), MC Alger Algérie (dec 2004- juin 2005), Al Khor Qatar (2006-2008) ary FC Ry Ky any Japon. Zaka Fils
T@ andron-dRavalomanana nampidirina teto ilay mpanazatra vazaha iny dia tabataba be. Manao tsinontsinona ny manam-pahaizana malaasy... Ankehitriny dia ny nataon'ny teo aloha ihany no
alain-tahaka.
Misaotra e !
volan'i FIFA ho fanampiana ny footballn'ny tany aty Afrika ihany no tena mihodina ao e.
vazaha tsy mahita asa any ivelany any ve no handaniam-bola!!!!Maninona raha asaina manao contrat koa izy fa raha tsy tafita ny Barea dia mamerina ny 80% ny vola noraisiny izy farafaharatsiny?Fomba fiasa misy contrat toy izany no tokony hatao eto amin'ny Firenena manomboka izao eo amin'ny sehatra rehetra fa tsy hamoahambola fahatany izay tiana hamoahana vola.
marian msi zany RAJERY an aleo hamerimbola refa tsy mahavita azy , dia ny mpilalao kou saziana fa tsy volan'alika akory ny an'ny mpijery no sady hihoby no hando vola nefa resy lava , mba mieritrereta nareo mpanao bol reo fa maro anie ny mahay fa saingy nareo no voahatso e !! zay zao afak manao demi-10 otran zidane say mahay mandaka coup-franc tsra lol..
