mer.
21
avril
2010
Na dia mbola lavitra sy elaela aza vao hisy ny fizarana loka ho an'ireo mpandrindra sarimihetsika dia efa azo antoka aloha fa isika malagasy no handrombaka ny amboara e. Raha ireny zava-niseho tamin'ny faran'ny herinandro ireny no jerena dia tena hita mihitsy fa manana olona matihanina amin'ny fanaovana sinema isika malagasy.....
Raha ohatr'ireny manko dia tsy mbola nanomboka akory ny fanadihadiana dia efa fantatra mialoha ny meloka , ary ny mpilalao fototra dia tsy ho lazaina eto intsony fa dia any amin'ny fizarana loka izay mpandrindra sarimihetsika malaza eran-tany no ha fantatra ny anarany. Tsy fantatra akory ny tanjona ny amin'ilay fikasana haka an-keriny ny lapa , ary raha ireo olona voarohirohy dia toa mahagaga sy mahavalalanina ihany fa tonga dia naseho endrika tsotr'izao kanefa ny fanadihadiana mbola tsy vita akory. Ny toerana nisamborana sy nahatratrarana ny olona koa dia etsy Mahamasina sy any Ambohijanaka,izay toerana tsy nisy fikorontanana akory tamin'io andro io. ny olon anosamborina dia olona tsy tokony hahavita izany akory , ny heverina fa lohandohany koa dia avy nitsangatsangana daholo nanapitra ny faran'ny herinandro. Ary ny tena mahazendana dia tsy naharenesam-peo mihitsy hatramin'izao ny praiminisitra sady minisitry ny foloalindahy , sy ny filohan'ny tetezamita na dia ny hilaza fotsiny aza hoe manameloka ireny tranga ireny. Sao dia rizareo ihany no mahalala ny toerana sy ny olona milalao an'ilay film , dia avy eo dia soketaina ny olona izay tsy tiana sy halako bika sy tarehy tsotr'izao. Dia maninona koa raha tsy tonga dia lazaina koa fa tadiavina tsy havela handeha koa ny filoha Andry Rjoelina e! Dia asio baomba koa eo Iavoloha amin'izay dia haiaraha-mahita eo fa tena mahay ny mpitsikilonareo e. Ny mahagaga dia afaka herinandro raha ela indrindra dia lefy laza ilay sinema ,ohatra ( fitifirana ny filoha , fametrahana baomba teo ambohitsorohitra,fikasana hamono an'ingahy mpiandraikitra ny filaminana ao Ambohitsorohitra sady lehiben'ny savony). Aiza ho aiza daholo ary ny vokatry ny fanadihadiana an'ireo ?
Efa tsy mahagaga intsony ny film toy ireny , fa ny mahagaga fotsiny dia ny fahasahian'ireo milaza fa tompon'andraikitra eto an-tanana ankehitriny manitrikitrika sy manonona anaran'olona nefa tsy mbola nisy akory ny fanadihadiana sa ve ry zareo mino fa izy foana no hitondra eto amin'ny firenena mandrakizay ? sao lahy ka dia mandrora mitsilany ihany ka tsy mieritreritra lavitra sy ny ho avy rahampitso . Am-bava homana am-po mieritra.
