mer.
21
avril
2010
Tontosa soa aman-tsara ny fifanarahana teo amin'ny federasiona sy ny minisitera andaniny ary ilay mpanazatra frantsay Jean Paul Rabier ankilany. Araka ny fifanarahana dia hitantana mandritra ny 2 taona ny ekipa nasionaly malagasy izy io . Ary ny tanjona dia ny hahatafita ny Barea any amin'ny lalao ny Afrika izay hatao any Gabon amin'ny 2012 ho avy io. Ny karamany dia 8000euro na 21 600 000 ar isam-bolana.......
Ny mahagaga dia maninona ny mapanazatra vahiny dia sahintsika karamaina lafo be ohatr"izany nefa ny mpanazatra teo aloha izay teratany malagasy ary hita fa manana ny traikefany dia zara raha mandray ny ampahazatony akory. Sa vahiny izy io dia tsy maintsy ho izay ny sarany? Manarak'izay dia tsy dia hita ho nisongadina loatra ity mpanazatra ity fony izy mpilalao fa saika klioba tany amin'ny diviziona fahjaroa avokoa ny nilalaovany . Ary ny klioba nentiny dia klioba diviziona faharoa sy fahatelo avokoa. tsy dia nanana vokatra manokana koa izy afa-tsy ilay voatendry ho mapanazatra mendrika tamin'ny taona 2007 tany Katara . Sao lahy dia ho ny teo ihany no teo amin'io mpanazatra io.Raha manana an'izany vola be tsy toko tsy forohana izany ny ministera sy ny federasiona tsy naleo ve ny mpiray tanindrazana no notohanana ? Tsarovy fa tsy ny mpanazatra no milalao eny ambony kianja fa ny mpilalao malagasy , ary raha ny tokony hahalala bebekokoa ny mpilalao malagasy dia ny mpanazatra malagasy ihany