mar.

20

avril

2010

Sinema hafahafa Mahay ny gasy

Taitra aho tompoko, nahita ilay vaovao navoakan’ny fahitalavitra iray eto an-drenivohitra momba ilay fanonganam- panjakana saika hiseho ny alahady teo. Ny nanaitra ahy, dia toy ny mijery ireny filma gasy ireny mihitsy izay nahita. Iza re no niantso ny mpanao gazety hamonjy ity tranga hafahafa ity voalohany ity e? Ny atahoranay mantsy, sao hisy hilaza indray ireo mpanao gazety tonga voalohany tany ireo, fa mpiray tsikombakomba amin’ny mpanongam-panjakana. Etsy ankilany, dia midera ny mpitandro filaminana malagasy koa aho, fa tena haingana mihitsy izy ireo amin’ny famongorana ny ratsy. Samy nanana ny filazany avokoa izy ireo tamin’ny famongorana ny ratsy, ary nahafinaritra mihitsy ny nahita azy ireo tamin’ny fahitalavitra. Tena mahery fo mihitsy e. Ny mampalahelo ahy fotsiny r’ireto, dia ny fandrenesana fa misy olona ambara ho saika hanongam-panjakana, samborina avy hatrany, ary misy kosa olona saika hanongam-panjakana ihany, fa esorina fotsiny amin’ny toerany? Toa sinema hafahafa ny fahitako azy, saingy aza ny tenako no samborina raha milaza izany, fa ny gazety misy ny lahatsoratro no ario any amin’ny tsy mahay maka e. Veloma indrindra tompoko, ary samy ho tahian’i Jehovah daholo e.

écrire commentaire

Commentaires: 6

  • #1

    sol (mardi, 20 avril 2010 10:31)

    Raha izaho manokana aloha dia mahita fa tena sinema tokoa ireny.Matetika mantsy rehefa misy fivoriana ho famahana ny krizy eto mada dia manao toy ireny foana ry zareo HAT sy ny forongony.
    -Nisy nitifitra ny fiara e !
    -Nisy mametraka baomba atsy na aroa e !
    -Izao indray ka hoe misy mitady hanongana.
    Milazà rehefa matahotra ny hifampidinika fa aza be sinema eo e !

  • #2

    roby (mardi, 20 avril 2010 14:10)

    iza no tsy milaza fa sinema reny e, vakina fotsiny

  • #3

    Ndrosany e (mardi, 20 avril 2010 14:12)

    Za dia miandry fatratra ny tohiny film "fanafihana lapa 2 - le retour"

    ity voalohany ty mantsy toa ohatrany tsy de réaliste loatra ny scenario-ny, misy lesoka de hita be fa sinema : aiza ka hanafika lapa izay camp militaire ono de basy poleta 1 no entina

    ny mpilalao koa moa hita fa mbola tsy manana traikefa tsara ohatran-dry rajao am malok'ila,

    ny figurants tsy mba ireny commando bokony tsara ireny fa bandikely malazolazo zany (reny ve tsy ahongan'ny kalach fotsiny refa mipôka ny basy ?)

    ary efa nivoaka ve ny vcd ? aiza no ahitana azy sa ao amin'ny super music ihany ? de ohatrinona ny vidiny ?

  • #4

    piso (mardi, 20 avril 2010 14:48)

    mba menatra ry HAT a! noheveriko fa i Avoko production anie no manao tournage t@ iny andro iny kay ny FAT production no tompomarika tao.
    Taiza no nisy olona hanongam-panjakana d olona tsy fantatra no ho recruter-na raha tsy teto amintsika. amin'izay koa tsy nisy n'inon'inona tratra niaraka t@ ireo olona voalaza fa hanongam-panjakana. Mba jereo ireo sari_na miaramila manao tennis be dia be ireo. kay rehefa manao tennis dé miaramila foana nefa mba milingilingy ery ny vava t@ andron'i dada hoe tsy miaramila fa mercenaire ireny manao tenu nefa tsy manao botte ireny.
    Fat n'importe quoi.
    dia mba valio koa ny fanambaran'ny FIGN raha sahy.

  • #5

    za (mercredi, 21 avril 2010 11:00)

    mba menatra ry 3 mouvances a!cinema ve de miaramil
    a mpiambina sy manana andraikitra teo @ ra-8 daolo
    le izy? de tena vendrana koa zany miaramiland-ra8
    zany fa anaovan'ny olona cinema fotsiny? kay mpanao
    cinema izy rehetra ireny de mora fotsiny no nana
    lana ny sefony teo de i ra-8 e!tena mahay ry leiro
    ny an!tohizo iany fa @ farany de tsy hatao ôtran'
    ireny intsony fa tonga de raffale no atao aminy
    de tsapany tsara oe tena tsy mivazivazy reti HAT
    ireto! tohizo ny tolona e!mahereza fa ao aoriana
    ao ny farany e!hi!hi!hi!hi!hi!hi!hi

  • #6

    za (mercredi, 21 avril 2010 11:09)

    de ny momba ny FIGN indray de oe ireny le oe malahelo ny volabe lasan'ny sasany e!mba mitadiava lalambola hafa de mba manaova e!ka ra mafy koa le FIGN de haongany ary le fanjakana de ho hita eo e!be vava fotsiny fa kely aina e! reny le tonga @ le fiteny oe "ny herintsaina betsaka fa ny hoza-body no tsy ampy e!hi!hi!hi!hi!hi mbola ho aiza e!tohizo ny tolona fa ao aoriana ao ny farany e!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra