mar.
20
avril
2010
Mety hanala havizanana ihany koa izany, sady mampisinda ny rarin-tsaina sy ny fivonkonan’ny hozatra ao amin’ny vatana rehetra. Ny olona manana olana sarotra mahita tory amin’ny alina indray dia voalaza fa tokony hazoto hanafosafo satria manome torimaso milamina ny fanaovana izany. Ho an’ny mpivady moa dia tsy tokony ho amina firaisana ara-nofo ihany vao tokony hifanafosafo. Azo atao amin’ny fotoana rehetra izany. Fantatra mantsy fa miteraka hafaliana ho an’ny ankilany ny safosafo ataon’ny andaniny, ka ny fiheverana izay fotsiny ihany aza dia tokony hanafosafoana fotsiny amin’izao. Ny vehivavy no voalaza ho tena mila safosafo. Mety ho noho izy ireo marefo angamba no lazain’ny mpandinika ho anton’izany, na ihany koa noho izy ireo be fihetsehampo. Ho an’ny lehilahy indray mantsy dia ilay fanonofisana zavatra hafa hatrany no mby ao an-tsainy raha vantany vao hoe hifanafosafo. Izay fahazarana izay ilay tokony hovaina.