mar.

20

avril

2010

Rugby: Tsy mbola afa-bela indray i Dakar

Very vola ny ankamaroan’ireo mpiloka izay naka an’i Dakar tetsy amin’ny kianjan’ny Malacam ny alahady tolakandro lasa teo, satria tsy mbola afa-bela tamin’ny TAM indray mantsy ny FTM. Efa tany amin’ny minitra faran’ny lalao no nahazo hadisoana i Anosibe, ka notsarain’i Côcô milay izany ary dia tafidiny soa aman-tsara. Nitsimbadika ho 16 no 14 ny isa teny amin’ny solaitrabe, raha efa niomana ny hanao fety i Manjakaray izay efa nitarika an’isa 14 no 13.....

Betsaka no nimenomenona, satria efa nihoatra be ny ora nilalaovana. Efa naneno indroa ny “gônga” izay nanambaran’ny mpitsara fahefatra ny fahataperan’ny lalao. Tsy henon’ny mpitsara afovoany anefa izany fa notihizany hatrany ny lalao. Tao anatin’io minitra vitsy nihoatra io no nahatafidiran’ny TAM io CPP io. Tany amin’ny minitra faran’ny lalao ihany koa vao tena nivoaka ho mpandresy ny US Ikopa nanoloana ny US Ankadifotsy nandritra ny lalao voalohany ho an’ity fankalazana ny jobily faha-25 taonan’ny klioba 3FAI Ambalavao Isotry ity. Nahatsara hadisoana mantsy i Benja ka nanova ny isa teny amin’ny solaitrabe ho 6 no 3. Ny TAM Anosibe sy ny US Ikopa izany no hiatrika ny lalao famaranana amin’ity lalao fankalazana ny jobilin’ny 3FAI ity. Zaka Fils

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra