mar.
20
avril
2010
Haingana dia haingana mihitsy ny « fitsongoana dia » ataon’ireny olona ireny rehefa hoe “tsy mandry fahalemana ny mpitondra”. Tonga dia sarona ireo ahiahiana ho mpanongam-panjakana sy mpametraka baomba tsy mampilamina ny eto an-drenivohitra. Haingana ohatry ny tselatra ny fifampitam-baovao eny amin’ireny olona ireny hanenjehana ny olon-dratsy, mety hanohintohina ny mpitondra sy ny fitondram-panjakana. Totoafo ny fanadihadiana hitazonana ireo ahiahiana......
Fa iza marina no tian’ireny olona ireny ampitandremana e ? Tandroka aron’ny vozona, manda aron’ny tanàna tokoa ireny olona ireny, no sady ombalahy be vozona ka tsy mifidy tany iadiana. Saika voatafika teo indray izany ny lapan’i Mahazoarivo raha tsy teo ny tsongo dia nataon’ireny olona ireny. Fa haingana tahaka izany koa ny fahatongavan’ny mpampahalala vaovao, satria vaovao tsy maintsy ampahafantarina ny sarambabem- bahoaka ireny, ka tokony haseho ny fizotry ny “operation”. Fa mahavelom-panontaniana ireo maro tsy maharaka ny raharaha koa ny fanonontononana anaran’olona ho “atidoha” nikotrika lasa zary fahazaran’ny sasany amin’ireny olona ireny, na dia mbola tsy nanomboka aza ny famotorana sy fanadihadiana. Mahay maminany tokoa ary ve ireny olona ireny ? Dia manetsetra ny valala tsy mandady harona, satria mba maniry ihany koa ny tsongo dia ataon’ireny olona ireny ireo jiolahy na dahalo mpandroba, na an-tanandehibe na ambanivohitra. Mba mitsiriritra ny hahatongavan’ireny olona ireny, na izay iraka alefany, ao anatin’ny fotoana fohy hiaro ny aina sy ny fananany rehefa mitranga ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana, na ny sakan-dalana arahim-panafihana eny amin’ny lalampirenena, sns. Fa mahafoy fisainana ihany ny zava-misy eo anivon’ireny olona ireny. Toa ny samy mandeha samy mitady ny fahitana ireny olona ireny tato ho ato, ary toa mifampiahiahy fatratra sy mifanendrikendrika. Toa mbola tsy milamina ny raharaha eo anivon’ireny olona ireny an ? Gérard R