mar.
20
avril
2010
Na dia voizin’ny fampahalalam- baovao aza, dia tsy fantatra be ihany fa manjavozavo tanteraka ny vaovao momba ilay fihaonana any Afrika atsimo voalaza fa ho tanterahina ato ho ato. Nanontany an’Atoa Randrianarisoa Guy Rivo, mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana ny gazety Basy Vava momba io fihaonana io....
BV : Inona avy no zavatra tsara ho fantatra manodidina ilay fihaonana any Johannesburg ?
G R : N y a n k o l a f y Ravalomanana dia tsy manda fihaonana indrindra raha hitady vaha olana hamoahana ny firenena ao anatin’izao krizy izao. Hatramin’izao aloha dia tsy mbola nahazo fanasana tamim-pomba ofisialy izahay momba io fihaonana ao Johannesbourg io. Resaka daholo no heno etsy sy eroa fa tsy misy mihitsy hatramin’izao zavatra ofisialy.
BV : Mi s y ny o l o n a misolo tena ny ankolafy Ravalomanana amin’izao fotoana izao, ianao no mpitondra teny, fa iza kosa no misolo tena anareo eto Madagasikara ?
GR : Misy ary efa fantatra ireo mpitantana ny ankolafy eto Madagasikara. Mandrindra sy miresaka amin’ny rehetra. Saingy raha mbola tsy nahazo vaovao amin’ny fomba ofisialy momba io fihaonana io ny ankolafy dia tsara ny milaza fa tsy mbola azo lazaina fa tena amin’ny fomba ofisialy izany ny fifandraisana amin’ny ankolafy Rajoelina izay atao amin’izao.
BV : Miteraka savorovoro ny fahenoana an’io fihaonana io amin’izao fotoana, inona no toromarika avy aminareo ?
GR : Misavorovoro satria tsy mbola mazava akory ny zavatra rehetra fonosin’io fihaoana io dia efa natao resabe sy naparitaka. Samy nandray anjara tamin’izany daholo ny rehetra. Tsy hifanomezan-tsiny izany, saingy tokony napetraka tsara aloha ny rafitra rehetra ary notendrena mazava ireo solontena avy amin’ny ankolafy ary nifampidinika mangina. Rehefa matotra izany vao tokony nolazaina fa lasa milalao ny vahoaka isika. Afa tsy hoe misy endrika hafa tiana havoaka angaha ao ambadik’izao fanaparitahana ny vaovao izao.
BV : Nisy ireo olona voalaza fa nanomana fanafihana ny lapan’i Mahazoarivo saingy tratra teny Ambohijanaka omaly hariva. Nambaran’ny t omp o n ’ a n d r a i k i t r a i ray fa tompon’antoka amin’izao zavatra izao Marc Ravalomanana. Ahoana ny fahitanao izany ?
G R : N y a n k o l a f y Ravalomanana dia mitady ny vaha olana ao anatin’ny fifanajana, firahalahiana ary manaja ny soatoavina malagasy. Tsy miantso ary tsy hitondra mihitsy ny vahoaka ao anatin’ny herisetra izahay. Fitadiavana vaha olana hitondrana ny vahoaka sy ny firenena any amin’ny fampandrosoana ary ny fiainana milamina no iriana fa tsy herisetra mamerina indray any amin’ny fanapotehana hampitondra fahoriana. Efa be izay zavatra nafoy, simba, potika teto amin’ny firenentsika izay. Miandrandra fiainana vaovao sy filaminana ny Malagasy.
Milaza fa misy ireo solotenan'ny ankolafy ravalomanana, iza avy moa ireo satria manjavozavo ihany koa ny momba io? Ary raha solotena i Raharinaivo ka nilaza ny fisian io fihaonana io,tsy baiko avy any amin'ny mpitarika ny mouvance ary ve zany?
