mar.
20
avril
2010
ny lapam-panjakana etsy Mavoloha sy ny trano fonenan’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita. Miaramila, rezervista sy sivily ireo tratra ireo, ary dia ny alahady teo ihany dia notazonina ary efa natomboka ny famotorana azy ireo. Nitranga ity toe-javatra ity taorian’’ireny zava-nipoaka teny akaikin’ny toby fivarotandasantsy teny Antaninandro sy tetsy Soanierana ny zoma hariva lasa teo. Efa somary mahazatra ny sofina ny mandre “vaovao” toy izany tato ho ato, satria be ny tsaho niely tamin’iny volana martsa iny fa hisy “fanonganam-panjakana” ketrehin’ny miaramila (?). Voatondro molotra tamin’izany ny jeneraly Rakotonandrasana Noël , ministry ny foloalindahy, koa dia nesorina tamin’ny toerany. Toy izany koa ilay re hoe “fanafihana ny lapan’Ambohitsorohitra nataon’ny kolonely Randrianasoavina Charles, mpiara-mi tantana ny FI S (Forces d’intervention spéciales) skanefa tsy tafita taorian’ny fetin’ny Paska teo, saingy nambarany nandritra ny valandresaka nataony tany amin’ny trano fonenany fa sarin’ady fotsiny ihany iny nataony iny. Ny re moa taorian’izany dia toa hoe nahilika tsy ho mpitantana ny FIS intsony izy. Tsy toy ny teny amin’ny RAS Ampahibe tamin’ny volana desambra 2009, fa tsy mba nosamborina na notanana am-ponja, ary toa tsy nanaovana fanadihadiana akory aza ireo manamboninahitra roa ireo, kanefa toa izay ahiahy momba ny fanonganam-panjakana saika hataon’izy ireo izay no nanesorana azy tamin’ny toerany. Tsy mifanalavitra amin’izany ny resaka baomba nampisahotaka ny tanàna tamin’ny taon-dasa, ka nisamborana ireo voatondro molotra ho nanao izany. Misy zavatra tsy milamina indray ary ve any ho any ka mahatonga ireny zava-doza miseho ireny ? Mahavariana ny mpanara- baovao fa isaky ny hisy dinika hamahana olana kasaina hotanterahina dia miseho hatrany ny toe-javatra mampalahelo toy ireny. Soa aloha fa manana manamboninahitra zandary kinga amin’ny fanadihadiana isika, ka angamba tsy ho ela dia ho fantatra indray ny “atidoha” nikotrika ireny an ?! Gérard R.