mar.
20
avril
2010
Tanteraka soa aman-tsara eto Antananarivo (Madagasikara) ny fanodinana ilay tantara lavareny sy tsy hita fiafaràny. Mpandray anjara marobe avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao no mpandray anjara ao anatin’izany. Ary ireo fitaovana avy any ampitan-dranomasina mikasika ny fanatontosana izany tantara izany dia nobataina nankaty amintsika satria ny mpilalao fototra dia eto ANTANANARIVO daholo ny ankabeazany......
Ireo mpilalao « matin-kanina » rehetra dia vonona avokoa, ary navadika ho HOLLYWOOD efa nandritra ny ho herintaona mahery izao ity tanàna ity. Ny « réalisateur » dia nafarana avy tany andafin’ny riaka: Afrikana, Eropeana, Amerikana, sinoa…Be dia be tsy ho tambo isaina fa araho fotsiny. Ry Tom Cruise no mampiasa sy mifehy ny tantara ary mpilalao fototra tsy azo tsinontsinoavina. Ao koa ny mpitari-tafika tena henjana toa an-dry Arnold sy ry Dolphe manatontosa ny maha-terminator azy ; ary vonona hifanandrina mivantana amin’ny tarik’i Bôlo, Jacky Chan. Ny mpanatontosa ny fandrafetana sary amin’ity tantara ity dia miezaka mafy amin’ny fandaminana ireo acteurs rehetra satria toa tsy mifampatoky izy ireo, na dia efa nisy fifanarahana voafaritra sy voasonia aza teo amin’ireo mpandray anjara rehetra. Misy manko mitady hanao improvisation eny ampandehanana ka mamorona ny tsy tokony ho tenenina, ary izany indrindra no nahatonga ny tarik’i Mel Gibson fa ny « passion du Christ » no tokony ho masahana. Ny body guard marobe an’i Steven Segal dia manelingelina ny sehatra matetika ka mahatonga ny fifanomezan-tsiny sy ny famerenam-bita lavareny. Ny rôla sy ny deba amin’ity seho sehatra ity dia tsy eto an-tanàna ka voatery hanaovana tournage manokana any ivelany any. Ry belazao amin’ny famporisihana ireo heveriny ho mahery fony amin’ity tantara ity dia tsy mitsahatra ny manao ny brouillages sy feo manelingelina mandritra ny fandraisam-peo Ny basy tsy mipoaka dia mitondra ny mpiray tanindrazana hanao ny ady hevitra tena tsy misy fihatsaram-belatsihy, laroina fandeferana ka ilaozy lavitra ny «malaky mikôzy» fa mety handatsaka aina. Tsy basy hifamonoana tsy akory fa hitadiavana fandriampahalemana sy fitoniana. Mbola haharitra ela angamba vao <hiakatra ny soratra> amin’ity tantara lavabe tantaraina sy ahetsik’i Pôly cowboy ity. Koa ndeha hisikim-ponitra sy hatanja- tsaina fa efa lany anie ny voanjo fitsakotsako mandritra ny projection e ! Ony rambelo