lun.

19

avril

2010

Mpitondra FAT: Tsy manana hazon-damosina

Sorena aho tompoko, ka mba manoratra aty aminareo gazety Basy Vava, raha nandre ny tenin’i Andry Rajoelina milaza fa miara-miasa akaiky amin’ny Frantsay amin’ny toedraharaha eto amin’ny firenena izy. Menatra aho tompoko, satria toa entin’io firenena io amin’ny sangany ity tovolahy tanora noheverina fa manana ny fiandrianam-pirenena ity. Izay tenin’io firenena io, dia tsy maintsy tanterahiny, ary hita fa ny Malagasy 20 tapitrisa, dia natakalony an’io reny kely nampijaly ny mpiray tanindrazana io tamin’ny taona 1947. Aiza ilay hazon-damosina hijoroana ho firenena manana ny fahaleovan-tenany e? Mbola sahy handainga ihany koa ve ireto FAT ireto, fa tena fitakiana fiovana no nahatonga ireny fanonganam-panjakana ireny? Mibaribary izao ny resaka, fa mitady tany hanorenam- pangady ahafahany manjanaka eto io firenena iray io, ary dia nahita izy. Firy amin’ny firenena nozanahan’ny La Farntsa moa no mba tafavoaka ankehitriny? Ny zana-tany Anglisy anefa efa lasa lavitra avokoa amin’izao fotoana izao. Dia mba mieritrereta re tompoko, fa tsy ho ataon’ny vahiny kilalao toy izao foana ny tanindrazana e.

Zilikely mpanao Jiafotsy Imerina Afovoany

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    ramima (lundi, 19 avril 2010 08:47)

    Tena marina tokoa fa tsy manana hazon-damosina ingahy Andry RajoelinA ka izay no mahatonga izao krizy lavareny izao. Menatra aho raha izaho lery hankalaza izany fetin'ny fahaleovantena izany satria toa lasa mpitari-bato vilam-bava fotsiny.Rariny loatra raha toa ka nakorain'ny olona izy tamin'ny 29 mars teny ambohijatovo iny.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra