lun.

19

avril

2010

Mpiasa voaroaka: Miala amin’ny « zone » dia mi-kil

Mahonena. Tsy maintsy mihinana, ary atao avokoa izay fomba rehetra azahoambola, rehefa tsy mangalatra. Io no nambaran’i Seheno mpiasa amin’ny orinasa afaka haba iray eny Ivato manoloana ny fandroahana azy ireo tamin’ny asany. Voatery mivaro-tena tsy fidiny izahay, mba handoavana hofan-trano....

Aoka tsy hanome tsiny anay ianareo, satria fomba ahoana no andoavanay hofan-trano raha toa ka tsy manao izao fihetsika izao izahay ? Raha ny hita tamin’ireto tanora vehivavy teny Ivato ireto ny alakamisy lasa teo, dia mandehandeha toy ny olona rehetra izy ireo, ary rehefa mahita lehilahy mitondra fiara mijanona na misotrosotro, dia manatona, ary dia manao ady varotra eo. Raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana sy ny manodidina, dia Ar 3000 monja dia efa « mi-kil » araka ny fomba fiteny ireto vehivavy ireto. Raha mikasika ny filazan’ny mpitondra tetezamita fa alefa hamboly izy ireo, dia tsy marisika ny handeha hamboly ireo mpiasa sendra anay. Ao anatin’ny fandroahana mpiasa ireo orinasa afaka haba amin’izao fotoana izao, vokatry ny fandaozan’ny AGOA antsika. Mamita ireo kaomandy eo ampelan-tanana sisa ireo mbola misokatra, ary heno fa efa maro no nandroaka mpiasa. Any amin’ny tapaky ny volana Martsa any ho any vao miverina maka ny ambim-bolany ireto mpiasa ireto. Misy kosa ireo efa nampiato ny asany tamin’ny volana desambra lasa teo, no miverina any amin’ny toerampiasany manontany vaovao amin’ny 23 Janoary ho avy izao. Na eo aza i reo olana sedrain’ireo mpiasa ireo, dia tsy mbola naneho ny heviny kosa amin’ny hitarihan’ny mpanao politika azy ireo handeha hitokona etsy sy eroa. Ny hany mba fanirian’izy ireo, dia ny hiverenan’ny AGOA eto, ary mba afaka hiasa indray izy ireo, satria ny fiovana notakiana, dia ny tsy fahaverezan’asa toy izao. Raleva zokiny

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    marina fa (vendredi, 09 juillet 2010 08:22)

    marina fa misy tokoa izany, fa raha ny zava-misy koa anefa dia maro ireo "sipa kely" no voasariky ny haitraitra, finday, mp3 sy lamaody ary vola mora fa tafiditra @ ity sehatra ity, manamarina izany ny fahitana azy ireo mbola mpianatra, avy @ fianakaviana antonony, nefa manatanteraka ity asa ity

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra