sam.

17

avril

2010

Mivelatra eo anoloan-dRavalo ny fandrika

Izay misaraka fasika, fa ny mitambatra vato tsy laitry ny FAT. Io teny io no heno tao am-bavan’olona maro niatrika ny famoriam-bahoaka nataon’ny ankolafy telo tetsy Behoririka andro vitsy lasa izay. Aoka tsy ho tafaroboka amin’ny velam-pandriky ny fitondrana tetezamita sy ny firenena vahiny iray ny filoha Ravalomanana hoy izy ireo......

Ny antony, dia tsy mahita rirany amin’ny fiainam-pirenena intsony ity fitondrana tetezamita ity, ka ny dinika manokana amin’ny filoha Ravalomanana sisa hany lalana ahafahan’izy ireo manala vonkona amin’ny tsy fahombiazana. Mivelatra eo anoloan-dRavalo izao ny fitsapana mahamay hoy ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy, na hanaiky hidinika amin’i Andry Rajoelina manokana izy, na hamadika anay, amin’ilay dina efa nifanaovana fa tsy maintsy eo avokoa ny hery efatra izay efa nanomboka izany hatramin’ny voalohany. Ny filoha mpitarika ny antoko MFM Manandafy Rakotonirina, izay ao anat in’ny ankolafy Ravalomanana, dia efa nanambara mazava, fa tsy handray anjara amin’io dinika io Ravalomanana. Tabera Randriamanantsoa dia efa nanambara fa ny Frantsay no mibaiko an’i Andry Rajoelina. Tsy hiditra amin’io fandrika io ny ankolafy Zafy Albert hoy ny Pasitera Edouard Tsaramehy, raha tsy avy amin’ny teny ierana amin’ny ankolafy telo. Nipololotra teny rehetra teny ireo hevitry ny mpanao politika ireo, fa mba manao ahoana kosa ny heitry ny olon-tsotra. Nanangona Vainafo Zanany

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra