sam.
17
avril
2010
Kely mandrahona iny olona iny. Be ihany izay fepetra nambaran’iny olona iny, fa ho raisina izay, saingy, asa na hitany, raha nampiakatra avo ny toe-karena Malagasy na tsia. Tsy naha-taitra ny mpitazana intsony izay lahateny izay, satria diska efa loaka hoy ny mpitazana. Samy miara-mandinika isika rehetra tamin’izay naloaky ny vavany hatramin’izay.........
Resy lahatra aho hoy izy, fa ity no tena lalana ahafahana manarina ny firenena. Voalaza tamin’izany ny tsy tokony hitsabahan’ny vahiny amin’ny raharahantsika. Nanakoako mihitsy ny filazana fa hiala amin’ny SADC isika, ary izy ihany no tompon’ny teny farany. Novoriana teny Iavoloha sy Ambohitsorohitra ireo namana akaiky an’iny olona iny tamin’izay, ary tehaka nirefodrefotra no nasetry izay nambarany tamin’izany. Nivadika foana anefa ny laha-tenin’iny olona iny, ary heno hatrany ny teny mamy nakana ny fon’ny vahoaka hoe handray fepetra aho. Inona no setrin’izay fepetra izay? Niova ny governemanta, ary nahilika ny mpiara-mitolona taminy. Na ireo olona nosamborina sy nogadraina aza anie ka efa fepetra hentitra noraisina avokoa e. Sa mbola hisy fepetra henjakenjana kokoa noho ireo efa natao indray, raha tsy mahomby ilay dinika atsy Afrika Atsimo ? Mahery iny olona iny, ary mahery toy izany ny olona manolo-tsaina azy. Nitombo ve ny harinkarena faobe nandritra izay fepetra noraisina izay, sa nilentika e ? Mba afaka avoakan’iny olona iny ve izay tarehi-marika izay, sa tsy hain’ny mpanolo-tsaina azy no manoro hevitra azy amin’izany ?