sam.

17

avril

2010

Filana ara-nofo: Ireo fika manintona

Manahirana ny olona mihitsy ity miresaka vetaveta na ny filahiana sy fivaviana amin’olona hafa, na Ray amandReny na olon-tiana na fianakaviana na namana ity. Ho antsika malagasy aza moa dia napetraka ho mamoafady izany. Mahamenatra mantsy izany hifampitantara izay natao sy ny fahafinaretana azo ary ireo voka-dratsy toy ny vohoka tsy niriana sy ireo aretina azo avy amin’ny firaisana........

Tsy maintsy resahina anefa izany. Isan’ireo misedra olana mikasika izany koa ianao ? Indreto misy toro-hevitra vitsivitsy atolotray anao : 1- Iza no tokony hiresahana azy ? Raha ny idealy aloha dia tokony ho olona anananao fitokisana sy mahavantana sy mifandray kokoa aminao no tokony hifampiresahanao izany. Tsy voatery ho ilay olon-tianao na ny ray aman-dreninao ihany fa mety ho ny fianakaviana, toy ny dadatoa, nenitoa, zoky, zandry, hatramin’ny namana akaiky. Mialoha ny hiresahana aloha dia fantampantaro tsara raha hahatana tsiambaratelo ilay olona na dia efa mianiana aza izy fa tsy hiteny na amin’iza na amin’iza. Ny tena izy ihany koa dia tokony hihafara amin’ny fiaraha-mikatsaka vahaolana ny resadresaka atao, na farafaharatsiny ilay olona niresahanao no ho mpitari-dalana anao hifampitafa amin’izay olona atahoranao hilazana izay manjo anao. 2- Aiza no hiresahana ? Tsaratsara kokoa raha toerana manokana no hifampiresahanareo, satria any no ahafahanao maneho ny fihetsehampo toy ny vazavaza, ny firesahana mora na hatramin’ny tomany sy ranomaso aza. Ohatra amin’izany ny efitrano mangingina izay mihidy tsara, eny amina zaridaina na parc tsy misy mpandeha firy, na any amin’ny restaurant mitokatonkana. Fadio ny mifampiresaka an-telefaonina na amin’ny internet. 3- Ny fomba firesahana : Ambarao mialoha amin’ilay olona hiresahanao fa matahotra sy tsy « a l’aise » ary menatra hianao raha hitantara aminy. Mazava ho azy fa manomana ilay olona hiresahanao amina fikarohana vahaolana izany ary misintona azy mba halahelo sy hihaino am-pilaminana. Aorian’izay dia tantarao miadana sy am-pitoniana fatratra izay tianao resahana aminy. Aza miolakolaka fa mba mahitsy. Hanampy anao tokoa io olona io. Ikotomaditra

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra