antoko ITOTAL na Ito Tsy Omeko anao Tsy Amin’ny Lerany na koa Inty Tanindrazana Ombonana Tsy Amidy na Atakalo Liampivoarana, Boniface Zakahely dia mahita fa « raha amin’ny fitiavan-tanindrazana tokoa no hisian’ny fihaonana eo amin’ny Andry Rajoeliena sy Ravalomanana dia mety io. Tsarovy anefa fa ny ankolafy efatra sty mahasolo ny gasy iray manontolo......
Vao mainka hampizarazara io fihaonana io. Ny resaka dia tokony hiompana amin’ny fametrahana ny fanjakana federaly satria izaho dia tsy manaiky ity fanonganam-panjakana lava eto Antananarivo ity ». Amin’ity solombavambahoaka taloha ity dia tokony samy hanana ny lalànany, ny faritany 8, izany hoe miampy ny Grand Sud-Est sy Grand Tsimihety, hisian’ny fifandanjana isam-paritra. « Repoblika federaly ary sata « présidentielle » no apetraka. Fiadian’ny vahoaka mivantana ny filohampirenena ary solontenam-panjakana na délégué no hitantana ny faritany. Iraisana ny tafika. Tsy Antananarivo irery no renivohitra fa asiana renivotra ara-toekarena, kolon-tsaina…ary misy ministera telo isaky ny faritany. Samy manana ny vola ary ireo faritany matanjaka manohana ny marefo. Tsy azo ekena intsony ny fiverenan’ny 13 mey lava satria misy olona tia ady eto ary eo koa ny tsy tia ady. Io fihaonana amin’izy roalahy io no tokony hanaovana anio ». Ny Malagasy anefa aminy dia iray ary ny fanjakana koa iray.