ven.

16

avril

2010

Iza marina no tena be famaritra ?

Niverimberina matetika nandritra ny adihevitra, nandeha mivantana tao amin’ny haino aman-jery tantanan’ny fitondrana, nataon’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) tamin’ireo mpanao gazety nitarika izany ny alarobia alina teo izay heveriny ho antony - na ny sakana ny marimarina kokoa - tsy nahatafapetraka ny fitondrana tetezamita iarahan’ny ankolafin-kery politika efatra mitantana hamahana ny krizy politika sy hirosoana amin’ny Repoblika fahaefatra. Ny antony, araka ny nambarany dia hoe : « misy ireo be famaritra, kanefa tsy azo tanterahina ireny… ». Dia velompanontaniana ny mpanara-baovao hoe fa iza tokoa moa izany no tena « be famaritra » ka nahatonga azy nandà sy nitsipaka izay efa nosoniaviny indroa miantoana tany Maputo sy Addis-Abeba ? Raha raisintsika hoe ireo avy amin’ny ankolafy politika telo (Ratsiraka Didier, Zafy Albert, Ravalomanana Marc) no be famaritra; dia ny fizaran-toerana teo anivon’ny governemanta iraisana tokony ho notarihin’ingahy Mangalaza Eugène ve ka nitakian’ireo mpanohana ny FAT ho tsy maintsy olona avy ao aminy no tokony hahazo ny androantokony ny toerana ao amin’izany governemanta izany ? Sa ny nametrahan’ny fifanarahana tovana tany Addis-Abeba ireo filoha roalahy mpiara-mitantana ny tetezamita amin’ingahy Andry Rajoelina ? Tsy voaresaka mihitsy nandritra ireny adivarotra ireny mantsy ny momba izay ho isan’ny mpikambana isan’ankolafin- kery politika tao amin’ilay andrim-panjakana mpanao lalàna anankiroa, dia ny « Conseil supérieur de la Transition » (CST) sy ny « Congrès de la Transition (CT) », kanefa dia tsy tafatsangana mihitsy ireo rafitra roa ireo, na dia tokony ho nahazoana namaha haingana ny krizy aza ny fijoroany. Sao kosa ary dia ireo mpikambana FAT sasany matahotra ny voahilika amin’ny toerana nomena azy no tena be famaritra ka nanjary sakana ho an’ny filohany tsy nanatanterahany ny fifanarahana efa nosoniaviny ? Misy amin’izy ireo mantsy, tamin’ireny fotoana ireny, no mahatsiaro tena hatao tsinontsinona sy very tombon-tsoa raha toa ka tsy voatendry ho mpikambana ao amin’ny CST fa nokasaina hotendrena ho CT. Fa ny tena marina, rehefa zohiana ny « fandehan’ny raharaha », dia ny toerana ao amin’ny governemanta mihitsy no tsy foin’ireo efa nahita tsirony tao. Moa tsy azo hanamarinana izany ny mbola tsy nanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta hatramin’izay nametrahan’ingahy Monja Roindefo azy fanindroany ka hatramin’izao, na dia efa notendrena aza ny praiministra Camille Vital ? Fa mahavelon’ahiahy ihany koa tato ho ato, fa anisan’ireo mety ho « be famaritra » koa ny foloalindahy, taorian’ireny tsaho sy savorovoro anatiny tsy nampilamina azy teo ireny. Toy izany koa ireo tangoron’olona manodidina ny filohan’ny FAT ao an-dapa ao. Koa iza izany no tena be famaritra ? Antsika ny mandinika sy misaintsaina.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra