ven.
16
avril
2010
Misy karazany fito ny fitiavana iainantsika zanak’olombelona, arakaraka ny antanantohatry ny fiainana lalovantsika. Samy manana ny anarany avy izy ireo izay nalaina avy tamin’ny teny grika, ka ireto avy izany :
1- Porneia avy amin’ny teny grika « porné » midika ho « prostituée » : izay ilazana ny fitiavana eo amin’ny zazakely vao minono sy ny reniny, dia ilay fitiavana mamiravira sy tsy mahandry ary miankina amin-javatra. Tsy mahalala afa-tsy minono ny zaza menavava ary ho valin’izany etsy andaniny dia teraka ho azy ilay fitiavana te hanome fahafahampo azy avy amin’ilay reniny, ka manome hatrany izany ho azy.
2- Pathos midika hoe : “souffrance” na “passion”. Eto no mipetraka ilay hoe : “tsy mahalala afa-tsy hianao aho ary izao dia izao”. Fangatahana amin-tahotra kanefa feno faniriana ihany. Ity fitiavana ity no mamoha ny fahatsapan’ny ankizy ny mbola tsy fahavitan-tenany sy ny fanilikilihana azy.
3- Eros midika hoe : « désir des sens ». Tsara ny fitiavana izay mahatonga ny fiainana ho tsara ihany koa. Izay no masaka ao an-tsaina eto. Raha vao mivaona amin’io ny zavatra tsapa sy hita dia zary tsy tia ilay fitiavana intsony ny olona. Teraka ho azy ilay tena fitiavana izay afaka manavaka ny haratsiny amin’ny alalan’ny fitiavana mahantra sy jamba sy ny hatsarany izay hahatsapana ny hafenoana sy filantoan’ny tena fitiavana.
4- Philia midika hoe : « amitié ». Araka izany dia azo adika ho finamanana ihany koa ny fitiavana, izay hahatsapana ny fitiavana asehon’ny andaniny sy ny ankilany, ka mahatonga ny olon-droa mpinamana hifankahazo tsara sy hifampihaino amin’ny tsara sy ny ratsy.
5- Storge midika hoe : « amour familial » : Ny fitiavana dia tambitamby. Tsy vitan’ny tsotra sy kanto fa tsindraindray mba mampiakatra hafanana : mifanambitamby, mifampiandry, mifampihaino…
6- Charis midika hoe : grâce » na « faveur » : Ny fitiavana dia fahafahana. Eto no hahatsapana ny hamamin’ny fikambanana. Izany halalin’ny fiarahana izany no manome aina ny tsirairay. Tsapa tsara koa ny tsiron’ny fitiavana izay manitatra ny fiarahana mba hiara-hizotra ho any amin’ny tsy fantatra.
7- Agape midika hoe : « amour divin », dia ilay fitiavana mandrakizay. Fanomezana ny fitiavana ka tokony ho zaraina tsy misy tambiny. Eto no mitoetra ilay tena fitiavana hanolotra fa tsy handray, dia ilay fitiavana mamadika ny fitiavana mahantra sy ilay fotoana mampalahelo ho tena fitiavana. Ikotomaditra