ven.

16

avril

2010

Fihaonan'i Andry Rajoelina sy Ingahy Ravalomanana: Efa fantatra mialoha fa tsy hanjary!!

Raha ireny resaka nataon'izy mianaka ireny no jerena dia aleo tsy atao ilay fihaonana satria tsy hifandray mihitsy ny resaka any... Dia faly ery ny malagasy raha naheno fa hoe hisy ny fifampidinihana eo amin'ny roa tonta izay hatao atsy Afrika atsimo . Nefa raha ireny iaraha-naheno ireny fa dia resky ny moana marenina no hiseho any mandritra an'io fotoana io . Ny avy aty amin'ny ankolafy andry rajoelina moa dia ny tolotr'as teny ivato ny faha 4 sy 5 mars lasa teo no hohamafisina any ary koa tsy fifanakalozan-kevitra no hatao any fa fanehoan praograma ho vitaina. Ny fiteny rahateo tsy niova fa mandrahona be toy ny mahazatra. Etsy ankilany , ny ankolafy Ravalomanana dia tsy hanaiky ny fanilihana ny ankolafy roa ( Ratsiraka sy zafy) ary mbola mirona tanteraka amin'ny fifanarahan'ny Maputo sy ny tovana tany Addis abeba. Ny hany itovoan-kevitra kely dia samy manaiky ny hisian'ny fifidianana fa samy manana ny fomba hitondrana azy daholo. raha ny tena marina izany dia tena i Lafrantsa izay mody mitady vahaolana no tena mampitarazoka sy mampisy ny olana eto amintsika ity. Koa maninona anefa raha tena samy mikatsaka ny vahaolana amin'nity krizy ity ihany dia izao fotsiny no atao e: Araho sy tanteraho ny zavatra nifanarahana sy efa nosoniavina taloha dia basy e!!

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    ZA (vendredi, 16 avril 2010 09:37)

    zay le mahavoa anareo, le zavatra tsy manomboka ako
    ry de zay no lazainareo, fa ny olona anie mba mivoatra
    tra fa tsy mihembotra ôtranareo e, ko raha tsy vono
    na ny hiresaka aza i ra-8 de maninona no tsy manda
    avy hatrany fa mbola oe mila ny mouvances 2?ny tena marina @ ra-8 de mody mandamindamina ny mouvance zafy sy
    ratsiraka ary ny mpiara-dia aminy izy fa reefa atao
    ny resaka any RSA de ho manga ny resaka e!@ 24/04
    tsika mahita izy de basy e!!

  • #2

    za (vendredi, 16 avril 2010 09:41)

    de enao manoratra io ve mino fa raha mahazo famela-
    keloka eo i ra-8 de tsy hisy zvtr ho vita any RSA?
    izay nge zao no pbn'ny ra8 e!fa inona moa no hirar
    ahiny ze mpitolona etsy sy ero rehefa mahazo ze
    ilainy izy?@ 24/04 mahita izy de basy e!!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra