ven.

16

avril

2010

F.J.K.M Imerintsiafindra AMBOHITRANDRIANA Hankalaza ny faha-140 taonany

Hosokafana amin’ny fomba manetriketrika, amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana ny alahady 18 Aprily 2009 ho avy izao ny fankalazana mandritra ity taona ity, ny faha-140 taonan’ny fiangonana. Ao anatin’ny synodam-paritany Afovoany andrefana ny fiangonana .....

ary miala 18km monja ny renivohitra raha manjohy iny lalam-pirenena voalohany iny. « Ny marina amin’ny finoana no ho velona, mitsangana,mihazavà », io no andinin-tenin-tsoratra Masina io no hevi-dehibe hanentanana ny mpiara-belona sy ny mpiray fiangonana rehetra na ny lavitra na ny akaiky, ho tonga eny an-toerana amin’ny alahady. Tsara ho marihina fa mbola eo ampanatanterahana ny fanitarana ny fiangonana koa ankehitriny ny mpianakavin’ny finoana, ary izany dia mifanindran-dalana amin’izao fankalazana izao. Koa mandritra sy aorian’ny fotoan-dehibe amin’ny alahady dia ho re eny an-toerana ny fandaharam-potoana rehetra mandritra izao fankalazàna izao, ankoatra ny valopy isan-taranaka ho fanohizana ny asa fanitarana. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    tsy fanta-pihaviana (lundi, 26 avril 2010 10:30)

    nahomby sy nahazo vola ve ny fiangonana ? sa maty lolo

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra