jeu.
15
avril
2010
Miatrika fiofanana miaraka amin’ilay Maorisianina, Fayzal Bundhum manam-pahaizana manokana avy amin’ny FIBA etsy amin’ny efitranokelin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireo tovolahy sy tovovavy malagasy mpiangaly volley-ball avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra Menabe sy Matsiatra ambony. Mianatra ny teorika izy ireo ary miroso avy hatrany amin’ny fampiharana. Miverina any amin’ny fototra mihitsy ny fampianarana, satria raha raka ny fanamarihan’Ingahy Fayzal Bundhum dia toa milalao fotsiny ny tanora ankehitriny ka tsy te hahala ny fototra izay hahatongavana any amin’ny teknika sy dingana avoavo kokoa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny federasiona malagasy taranja volley-ball amin’ny fikolokoloana sy fanomanana ny tanora mba hahafehy ny fototra sy ny fitsipika mifehy ny volley-ball izany, hoy ny filohan’ny FMVB, Randrianilana Bakoly Harisoa Clarisse. Zaka Fils