jeu.
15
avril
2010
Miketrika ny hivoahana amin’izao krizy izao avokoa ny manam-panahy rehetra. Tsy ny Malagasy ihany, fa hatramin’ny vahiny. Porofo tsy azo lavina ny fidirana antsehatra ataon’ireo firenena maneran-tany amin’ny fikatsaham- baha-olana maika ho an’ity nosy ity. Tapitra anio ilay 48 ora nomen’ny teo anivon’ny foloalindahy. Nangataka iray volana ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita handinihany izay fepetra napetraky ny tafika taminy. Mitohy etsy amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny ankolafy telo, ary mandeha ny feo fa hisy fihaonana eo amin’ny filoha Ravalomanana sy ny filohan’ny Fat Andry Rajoelina. Mitondra am-bavaka ny fiainam- pirenena ny hetsiky ny mpitondra fivavahana. Mitohy ny f i tokonana ataon’ny Paramedicaux, mitaky ny hanondrotana ny vatsimpianarany ny mpianatra eny amin’ny anjerimanotolo. Tapaka ny famatsiam-bola avy any ivelany, ary manome lamosina antsika avokoa izao tontolo izao. Na eo aza anefa ireo, dia mitovy ny ao andohan’ny rehetra, dia ny hisian’ny filaminana eto amintsika, ary hivaha tsy ho ela ireo krizy mandifotra ny ambanilanitra. Azo atao tsara ny miditra ao anatin’ny filaminana tsy miandry fanelanelanana iraisam-pirenena. Efa eto ampelan-tanana ny vahaolana, saingy ny fampiharana azy no mbola mampalailay fonosana ny hafa. Tsy nitranga izao krizy izao raha nankato ilay fifanarahana vita sonia tany Maputo sy Addis Abeba isika. Tsy voaroaka tamin’ny asany ireo mpiasa aman’alina, satria tsy ho foana ny AGOA ny faran’ny taona teo, raha nahay namindra isika. Efa vita ny fampihavanam- pirenena sy ny kaonferansy nasionaly raha tsy nisy ny sakantsakana. Faniriana ny an’ny rehetra, mba tsy handingana ny volana mey intsony ity krizy ity, sa mbola omena iray volana indray ny hafa hakany bahana amin’izay tetika hifikirany samirery eo amin’ny fitondrana? Iray minitra mivadika ho ora, dia efa mitondra fanaintainana ho an’ny vahoaka, satria tsy misy hatrany ny vaha-olana entin’izao fitondrana izao. Tsy ho gaga isika, raha mijoro manohitra ity tetezamita ity avokoa ny ankolafin-kery rehetra, miampy ny any ivelany. Tsy efa be loatra ve izay iray volana nahafahan’ny rehetra nisaina izay, sa hiandrasana ho efa tapitra ringana avokoa ny fihariana rehetra, vao samy ho tonga saina ? B.V
Mbola ho elaela ity krizy ity
Tsy hamaha olana ny paikan'ny frantsay ary tsy ho voafitaka amin'io dada
vao mahazo amnistie eo ra-8 de veloma eo daholo ny
zanak'i dada retra e!ny firesahana ny mikasika an'
io nefa no anisan'ny resaka any RSA, de mazava ho
azy fa de eo no hiafaran'i dada e!mahereza fa ao
aloha ao ny farany e!!
