jeu.

15

avril

2010

Fihaonan-dRavalo sy Andry TGV: Voahilika Ratsiraka sy Zafy ?

Hihaona indray hono Ravalomanana sy i Andry Rajoelina ? Atsy Afrika atsimo no voalaza fa hanaovana izany ny datin’ny 24 Aprily ho avy izao. Io indray no tetika hita fa hamahana izao krizy izao, ka naha-roboka ny firenena vahiny mba hisian’ny filaminana haingana eto Madagasikara. Tsy voaresaka ao anatin’io fihaonana io ny mety handraisan’ny avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert sy Ratsiraka anjara amin’izany dinika izany. Amin’ny fotoana hanoratanay izao, dia tsy mbola nahazo fanampim-baovao ny mety hisian’io dinika io na tsia eo amin’ireo ankolafy Ravalomanana sy Andry Rajoelina izahay. Ny tsy azo lavina, dia andro vitsy lasa izay no nanambaran’ny filoha teo aloha Ravalomanana, fa tsy manaiky ny hisian’ny dinika mangina izany ny tenany, fa tsy maintsy ny ankolafy efatra no miara-mandray anjara, vao manaiky izy. Raha ho raikitra ihany anefa ilay ambara ho fihaonan-dRavalomanana sy Andry Rajoelina atsy Afrika atsimo io, dia karazan’ny natao anjorom-bala ihany ny ankolafy roa ambiny. Midika ve ireo, fa tsy misy ilana intsony ireo ankolafy miara-dalana amin-dRatsiraka sy Zafy Albert ireo? Raha ny fifanarahana natao tany Maputo rehetra niampy ny tany Addis Abeba, dia hiarahana mitondra ity tetezamita ity. Izay ihany koa no neken’ny sehatra iraisampirenena, mba haneken’izy ireo ny fitondrana hijoro eto. Ny mifanohitra amin’izay, dia mety atao veloma hatreo ireo famatsiam-bola entina hanaovana ny fifidianana rehetra. Na hanaiky ny hisian’io fihaonana io na tsia i Andry Rajoelina sy Ravalomanana dia mazava izao ny resaka, fa misy fikasana ketrehin’ny hafa hanilika ny ankolafy roa ambiny mba tsy ho tompon’antoka amin’izay fitondrana hijoro eo. Izay ve anefa no ahitana vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao ? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra