jeu.
15
avril
2010
Adino t s ikel ikely ny “devoir” any an-trano rehefa tonga ny zaza. Tafafindra any amin’ilay zaza mantsy ny ampahany betsaka amin’ilay fitiavana nilokalokana fahiny. Ankoatra io dia miteraka olana goavana amin’ny firaisana ara-nofo ho an’ny mpivady ihany koa ireny ankizy ireny, indrindra rehefa tia jerijery sy tia mametraka fanontaniana izay izy, toy izany ny nanjo ireto mpivady frantsay ireto, satria rehefa vita ny nataony, izany hoe ny firaisana aranofo nataon’izy roa dia izay vao taitra nahita ilay menaky ny ainy vao fito taona monja teo an-tongom-pandriana. Nametra-panontaniana izy mivady avy eo hoe : “hafiriana izy no efa teo ary inona avy no hitany ?” Inona ary no tokony hatao mba tsy hahitan’ny ankizy ny fanaon’ny ray aman-dreniny ao an-trano ao ? Indreto misy torohevitra vitsivitsy : Zaza : ampianaro azy ny fady. Tsotra ny vahaolana. Fero ihany izay zavatra omena azy fa tsy izay rehetra angatahiny akory dia atolotra avokoa. Toetra iray ananan’ny zaza mantsy ny tia hataka ary tsy mety afa-po mihitsy. Apetraka dieny mialoha ny fady sy ny tsy tokony hatao ary tokony mba hiteny tsia fa tsy hanaiky hatrany ny fanirian’ny zaza. Anisan’izany ny tsy ahafahany midikiditra foana ao amin’ny efitranon’ny ray aman-dreniny raha tsy mahazo alalana. Ho valin’izany koa dia tokony handondona aloha hianareo Dada sy Neny rehefa hiditra ao amin’ny efitranon’ny ankizy. Mipetraka ho azy amin’izay ny fifanajana. Vao mainka mitombo ny olana mandritra ny fahatanoran’ny ankizy ao antrano. Ankoatra ny maha tia karokaroka azy dia lasa tia andrakandrana izy ireo. Manampy trotraka an’ireo ny fanamarihana mavaivay izay tsy ampoizin’ny Ray amandReny akory. Matetika ihany koa no tia mijanona ao antrano ny tanora ary mitaona ireo namany mihitsy aza mba hiara-hilalao na hiara-hiala voly ao an-trano. Sahirana noho izany ny ray aman-dreny amin’ny fitadiavana fotoana sy toerana mba hanaovana firaisana ara-nofo. Tsotra ny vahaolana. Mifampiresaha ar y apetraho amin’ireo zanakao fa tokony mba hanana ny fiainany manokana ny ray aman-dreny ao an-trano, ka tsy tokony hoelingelenina izy ireo. Apetraka mazava tsara hatrany fa tsy fanao ny midikiditra fahatany any amin’ny efitranon’ny Dada sy Neny sy mitsabatsabaka amin’ny fiainam-pitiavan’izy ireo. Na izany aza dia ampianarina azy ireo ny tokony sy ny tsy tokony hatao ary ny fitsipika hoe : “tsy misy adihevitra fa tsy mahazo manao an’io hianao”, ohatra raha sendra ka mitady hibirioka amin’ny lalan-dratsy ny ankizy. Hazavaina aminy moramora izany aoriana kely. Fehiny, tsy hisy intsony ny olana sy ny tahotra fa afaka hiaina an-kalalahana ny fiainam-pitiavany ny mpivady rehefa tafapetraka ny fitsipika ary hain’ny ankizy ny manavaka ny tokony sy ny tsy tokony hataony. Raha sendra tsy tafapetraka ireo dia tsaratsara kokoa raha asiana fanalahidy avokoa ny efitrano ary hidiana izany rehefa mba hanao ny ataony hianareo Papa sy Mama. Ikotomaditra