jeu.

15

avril

2010

Basy tsy mipoaka: Hanao matso ry bingo ?

Ho antsika tsy nanovo fianarana tany amin’ny Akademia miaramila Malagasy dia tsy hahafantatra velively izay taranja rehetra nianarana tany. Jery ivelany ihany no ndeha hatao, ary fantampantatra ihany tsinona fa henjana ny fianarana any. Tsy an-jaza, ary tsy ho vitan’ny kely aina sy kely saina. Mila haavo henjana amin’ny lafiny rehetra ny fiatrehana ny fianarana satria dia ho “tandroka aron’ny vozona”, ho “manda aron’ny tanàna”, ho “aro riaka farany amin’ny fiarovana ny fanjakana repoblikana”, “hiaro ny vahoaka sy ny fananany”, ary “ho an’ny tanindrazana” ireo rehetra nanam-bintana nivoaka tamin’io sekoly ambony eto amintsika io. Ary na ireo rahalahy Afrikana aza moa dia tsy vitsy no manovo fahalalana ao. Dia indreo ry zareo Bebaoty fa mampihatra ny fahalalàna maro nianarany. Hampianatra izay tsy ampy traikefa sy tsy ampy fahalalana firy amin’ity fitondràna sy ny fitantanana ny raharaham- panjakana. Politika izany e! Tompon’antoka sy mahafantatra tsara ny ati-vilany, ary niaro sy nametraka fa mila fiarovana ny fanjakana tena mahefa. Niara-nivory tamin’ilay filoha ambonin’ny tafika nandritra ny adi-pamantaran’andro maro. Dinika tsy azon’ny rehetra natrehana satria dia hikaroham-baha-olana mahomby sy maharitra. Gaga anefa ny maro fa “sori-dalana” sy ny “fitaovana enti-miatrika” ny fitantanana ny raharaham-panjakana no nanaovana fanambaràna ho ren’ny ambanilanitra. Ny vahoaka indray no hiangaviana ho tony? Raha voalamina tsara ve ny andraikitry ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany tsy ho tony izy e? Bibilava sinambotr’ankizy anie ireo e! ary sanatria toa faty entin’alina…Dia mananga-tsampona indray ny sasany fa hatsaharo ny fidinana an-dalam-be ataon’ny mpanao politika sy ny mpanara-dia azy. Ka tena hanao matso sy fihetsika miara-mirindra ve ny miaramila e? Sa dia hisalovana ny anjaran’ny hafa? Mbola hanohy hanao politika sy hitondra fanjakana? Mitombo an-dalana toy ny dian’Andriana ny fotoana lany. Aza atao hitan’ny hafa ho’aho ny kilema fa manjary mandany andro amin’ny resaka tsy hihinanan- kanina ireo zatra tapa-kibo isan’andro. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra