mer.
14
avril
2010
Tsy re feo ny filohan’ny TAFA na Tanora Andrin’ny Fampandrosoana, isan’ny mpanohana an’i Andry Rajoelina, Mamijo tao ho ao. Nivoaka tamin’ny fahanginany izy ary nilaza fa « mampalahelo ny zava-mitranga. Mitady hivily amin’ny lalan-kafa ny tolona natao teny amin’ny 13 mey. Saika maty ny tena tamin’izany nefa tsy nomena andraikitra. Izao hita fa ireo tsy namono tena no mitady seza. Tsarovy fa raha tsy nisy ny Capsat sy ny mpianatra teny Ambohipo dia tsy nisy na inona na inona vita teto”. Nohazavainy ihany koa ny antony tsy nidirany FTF na Fiombonana ho amin’ny Tena Fiovana. “Tsy vinanto tsy mahare fosa ka hitonantonana any. Tsy nampiantsoana izahay. Tsy manilika koa hoe efa nigadra ireo fa misy sata mifehy ny fikambanana. Raha tsy mazava tsy afaka ny hitsofoka amin’izany. Ny ankamaroan’ny FTF dia efa gadra pôlitika avokoa. Marihiko fa tsy gadra pôlitika aho fa niharam-boina tamin’ny fitantanandRavalomanana. Niisa 7 ny taratasy fampisamborana ahy fa tsy nety voafonja aho tamin’izany”.
Fa fanovana inona e?
Zahay vahoaka maro an'isa tsy nitady an'izany, efa nandroso tsara isika talohan'ny janoary 2009
fa hay ve ra-jacky ao e? za rangah ty de gaga fa misy olona mitapitapy mitady ny tsy hita eto a! talohan'ny zanvie 2009 tokoa ane de tsisy blem teto e ; fa de taitaitra amin'ny tsy antony. Ngah nisy very asa tam zany? Nisy marasily nivakivaky? nisy karaman'ny mpiasa tsy voaloha ny boursa tsy azo? Tsy haiko aloha e
Ny ahy izao ny teniko @ maha malagasy ahy mitovy @nao,dia tsisy vaha olana madagasikara raha tsy miverina ny Filoha Ravalomanana.dia mahaiza mifamela ry zareo a.Tadidio fa gasikara dia mbola firenena tena mahantra.Ary raha mbola miziriziry@ zao ny olona de tena potika gasikara. tsy misy mahavita ny vitan'ny Dada valo eo.saintsaino ihany e fa tena tiako gasikara.aty alavitra aty a de mitomany maheno ny hiram-pirenentsika.Tsara dada satria mahay mitsikaraka any ivelany.diniho sy eritrereto
jero ny zava-bitany dada dia ny hafa no mamotika,zany ve no hoe tia tanindrazana.
Misaotra ny gazety basy vava mamoaka ny vaovao marina,ho ela velona anie ny Gazety basy vava.
