mer.
14
avril
2010
Any Paris, renivohitra frantsay, hanohy ny dinika amin’ny fanatanterahana ilay tetik’asa “Grand Tanà - Gestion Intégrée des Déchets Solides (GIDS)” ireo ben’ny tanàna avy amin’ireo kaomina maromaro manodidina an’Antananarivo renivohitra. Dinika izay efa natombokin’ny sekretera jeneralin ny tananan’Antananarivo tamin ny taona 2005. Tokony manatrika io fivoriana io ingahy Razafindravahy Edgard, PDS-n’ny Kaomina Antananarivo renivohitra, saingy tsy any an-toerana izy hatramin’izao. Ho an’ny mpanara-baovao, dia toe-javatra roa no mety azo handikana izany: na ny toe-draharaha politika eto an-toerana no ratsy, na mbola “miketrika zavatra hafa hahametimety ny politikany manokana” raha mitaha amin’ny fitantanan ireo ben’ny tanàna mpiray fikambanana aminy. Resaka fitantanana fako iarahana amin’ny Agence Française pour le développement (AFD) moa no votoatin’ny dinika hataon’ireo ben’ny tanàna ireto any, ka angamba tsy dia mbola voafehiny loatra ny raharaha matoa izy toa tsy rototra. Sadaikatra ihany koa ny mpiray mpiombon’antoka satria Andriamatoa PDS no filohan ny OPCI (organisme public de coopération intercommunale). Tsorina fa toe-javatra iray tena mampimenomenona ny eto an-drenivohitra eto ny gaboraraka, herisetra, fanendahana sy ny loton’ny tanàna amin’ny ankapobeny, indrindra ny eny amin’ny faritra, toa an’I Besarety, Andravoahangy, Isotry, Behoririka… Mba misy hetsika kely ihany heno hoe tanterahin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo zaridaina tsara tarehy teo aloha sy fananboarana ny lalana, fa tsy hita mivaingana izay fandrosoan’ ny asa, fanelingelenana ny mpampiasa lalana no tena hita. Nahagaga ny maro koa fa zara raha nandrenesam-peo ny tao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo momba ilay tetik’asa kasain’ingahy Monja Roindefo sy ireo vahiny thailandais hotanterahina eto an-drenivohitra. Manontany tena ny mpanara-baovao hoe : “f’angaha moa I Monja Roindefo indray no ben’ny tanàna?”. Teny vitsy nilaza hoe : “tsy mahalala ary tsy nampahafantarina anay ny fisian’izany tetik’asa izany” no feo mivoaka. Saingy, asa na nahatsiaro tena ho voasongona ka dia nilaza indray ny talen’ny kabinetra fa “hanome tany ny kaomina hanorenana oniversite faharoa ho an’Antananarivo ( !?)”. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: efa lasa ministeran’ny fanajariana ny tany koa angaha ny ao amin’ny PDS-n’Antananarivo ao ? Ary efa nandalo teo ambany mason ny filan-kevitry ny Tanana ve izany? Zara raha hita Andriamatoa PDS, mba mahita sy mikarakara ny fiainan’Antananarivo andavan’andro ve izy? Mba mahita ny lalana simba, ny fitanterana baranahany, ny tsena maloto sy misavoritaka…? toa Ingahy Talen’ny kabinetra no hany misolo toerana sy teny azy. Diso mafana fo loatra ary ka manao fihetsika tsy mendrika eo amin’ireo mponina rehefa mijery ity sary azo tamin’ny 29 martsa ity !!!!