mer.
14
avril
2010
Heno tamin’ireo fampahalalam- baovao omaly fa vaky indray ny fonja tao Ambalatavoahangy. Nitondra ny heviny manoloana izany ny ministry ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa raha sendra ny mpanao gazety omaly teny Anosy. “ Tsy nisy tatitra ôfisialy azoko mikasika io resaka io”. Efa nandraisana fepetra hentitra ny fiambenana ireo fonja rehetra amin’izao fotoana izao. « Nohamafisina mihitsy ny fiambenana azy ireo ». Nomarihin-dramatoa ministra ihany koa fa tsy nangataka fihaonana taminy izany ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana, mikasika ny fanafahana ireo gadra pôlitika 49. “ Taratasy milaza ny hoe mangataka ny famoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra pôlitika no azoko ny zoma efa hariva be. Anjaran’ny ministera no mampita izany any amin’ny fitsarana ”. Notsindriany anefa fa tsy gadra pôlitika ireny. Tsy kilasiana ho gadra pôlitika. Tsiry