mer.
14
avril
2010
Mahazatra ny mpifankatia na mpivady ny fanaovana firaisana ara-nofo eo ambony fandriana, izay rahateo no fomba fanao fony fahagolantany ka hatramin’izao. Mbola lavitra be anefa vao ho tonga any amin’ilay trano hanaovana izany. Mba andramo indray ny manao izany eny amin’ireo toerana imasom-bahoaka na toerana natokana ho an’ny daholobe ireny e! Tadidio anefa fa maha voasazy izy ireny. Tsara apetraka dieny ety am-piandohana ihany koa fa ilaina tokoa ny fiarovan-tena amin’ny alalan’ny kapoty raha tsy mbola fantatrao tsara ilay olona miaraka aminao, na tsy dia azonao antoka ny fitiliana efa nataonao sy nataon’ilay olon-tianao. Miala amin’ny mahazatra Ny fanaovana firaisana amin’ny toerana natokana ho an’ny daholobe dia fialana amin’ny mahazatra tokoa, dia ilay eo ambony fandriana. Toerana tsy dia mahazatra ity sady voarara rahateo kanefa mahaliana sy vao mainka manintona ny hanao izany. Ankoatra ny faniriana dia eo ihany koa ny teritery madinidinika. Isan’ny tratr’izany ireo mpifankatia vao haingana izay tsy mbola mahalala izay toerana tokony halehany mba hanaovany izany, na ireo mpangalatra fitia izay tsy maintsy voatery manao izany eny noho ny fatahorana ireo tompon-toerana. Manatsara zavatra ny Natoraly Eny amoron-dranomasina, any anatin’ireny valanjavaboahary ireny, eny amoron- drano, any anaty ala, eny an-jaridaina fialana voly sy ny maro hafa…Toerana natoraly ireo. Manintona mpifankatia tokoa izany, indrindra moa fa tsy atao poriporitra na ankamehana fa samy miezaka maneho ny hakanton’ny firaisana ao anaty natiora. He izany fitsokan’ny rivotra madio, ny fikasokasoky ny bozaka na fasika na rano amin’ny vatana iray manontolo eo ambanin’ny lanitra manga feno kintana sy taratry ny diavolana. Tsaratsara kokoa anefa raha manomana seriveta na lamba hatao lafika mba hialana amin’ny hidihidy ateraky ny kasokasoky ny ravin-kazo isan-karazany ary ny lailainjavatra ateraky ny bibikely tsy fantam-pihaviana. Somary miafinafina kely Maro koa ireo toerana natokana ho an’ny daholobe saingy miafinafina kely azo hanaovana firaisana ara-nofo tsara koa. Ao ambany tohatra na ao anaty ascenceur no toerana roa mahavantana ny mpifankatia. Mila fitandremana fatratra anefa ity farany satria tsy maintsy ajanona antenantenany ny “ascenceur” mba hialana amin’ny fidiran’ny olon-kafa sy ny fanaovana izany maimaika tsy hahazoana fafiny akory. Isan’ny toerana azo hanaovana izany koa ireny dobo filomanosan’ny daholobe, parking somary maizimaizina, anaty fiarakodia, anaty birao, any anatin’ireny toerana fanandramana akanjo ireny na any anatin’ny toeram- pidiovan’ny restaurant, na any anatin’ireny “boite de nuit” ireny, ohatra. Complicité Ilana ny firaisana tsikombakomba ho an’ireo mpifankatia ny fanaovana izany. Hevero ange izay hitranga raha sanatria tsy manaiky izany akory ilay olon-tianao e? Mety hiafara amin’ny antso vonjeo izany. Mahavoasazy Mazava ho azy fa mahavoasazy ny fanaovana izany firaisana izany eny imasombahoaka. Ny lalana rehetra maneran-tany dia samy manameloka ireo olona tratra manao izany. Ho an’ny any Frantsa, ohatra, dia mampiditra am-ponja mandritra ny herintaona sy mampandoa onitra hatramin’ny 15.000 Euro izany. Ikotomaditra