mer.
14
avril
2010
Mihazakazaka ny fahantrana eto an-drenivohitra. Porofo tsy azo lavina ny fahafenoan’ny toerana eny amin’ny sisin-dranon’ny Andriantany iny, hatreny Anosibe, hatrany Ampefiloha. Tsy misy hilihana hoy ny fitenenana, fa feno hipoka, na andro na alina. Mpanorim-ponenana vaovao no ankamaroan’ny mponina eny. Milamina na tsy misy fehim-pihavanana aza. Mpivarotra avokoa izy rehetra ka toa mampahatsiahy ny anarany taloha hoe “La Réunion kely”. Hita eny avokoa ny karazan’entana rehetra, eny hatramin’ny fitaovana avy nampiasain’ny hopitaly aza. Hita eny ny entana lafo vidy sy vaovao toy ny solosaina, finday avo lenta, zava-maneno samihafa, sns… Mponina vao haingana eny amin’iny faritra iny i Robert. Very asa tamin’ny taona 2009 izy, manam-bady sy zanaka mianadahy. Ny entany sisa tavela tao an-trano no nentiny nanorim-ponenana eny La Réunion kely. « Fiarahamonina hafakely no iainanay ety hoy izy, satria ahitana ny karazan’olona sy karazana toetra ety. Misy antokon’olona tsy manan-katao afa-tsy ny miloka eny, ary misy olona mivelona amin’ny fanendahana fotsiny. » Ny varotra no iraisana. Sokajy samihafa koa ireo satria eo ny entana lafo vidy, ara-dalàna satria ny tompony mihitsy no mivarotra azy, fa eo koa ny entana halatra. Miara-miaina amin’ny loto ny mponina eto izay mampiasa ny ranon’Andriantany ho an’ny fiainana andavanandro. Tananan’ny fahantrana eto rey olona « hoy i Robert ka aza manody ny mahazo anay. » Hatreto dia mbola tsy misy ny tetik’asa hamonjena ireo olona mahantra ireo. Tsiahivina fa ny andiany taloha teo dia efa nikarohan’ny kaominina toerana honenana saingy tsy hita fiafaràna hatramin’izao. HERY A