mar.

13

avril

2010

Ny lehilahy sy ny firaisana ara-nofo: Maimay nefa mora leo

Malaza ho ny lehilahy no tena tia io firaisana aranofo io. Araka ny fandinihana nataona manam-pahaizana Amerikanina iray anefa dia ny vehivavy no fatra-pankafy izany. Marina fa mpitsiriritra vehivavy ary tia mijery fitombenana sy nonom-behivavy ny ankamaroan’ny lehilahy, kanefa karazan’olona mpitsiriritra mangina ary tsy mampiseho ny fitiavany raha tsy efa any am-pandriana ny vehivavy. Ny fitadiavana safosafo sy orokoroka ary ny hatezerana raha sendra lehilahy tsy te hanao izay no nahatsapan’ity fandinihana nataon’Ingahy Adolph Hunter ity fa ny vehivavy no tena mankafy ny firaisana ara-nofo. Toet ra rat sy telo no mpiseho amin’ny lehilahy mialoha sy mandritra ary aorian’ny firaisana ara-nofo. Ny lehilahy mantsy no tena maimay indrindra ny hiroso amin’izy io, ka na dia efa eo am-pandriana aza dia ny hiray avy hatrany no mahamaika an-dry zalahy fa tsy dia miraika amin’ny safosafo sy orokoroka aloha, araka ny fomba ankafizin’ny vehivavy. Na efa ao anatin’ny “action” ihany koa dia maika ny hahatonga ny azy fotsiny ny lehilahy fa tsy mba miandry an’ilay vehivavy akory. Ny tena toetra ratsy voa-janahary ananan’ny lehilahy ihany koa dia ilay tonga dia leo avy hatrany an’ilay vehivavy nanaovany firaisana rehefa vita izay natao. Ny vehivavy anefa dia toa mbola miandry fotoana kely aloha hankafizana faramparany izany ora mamy izany. Ikotomaditra

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra